MOFON’AINA ALAROBIA 15 JOLAY 2020

2 Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. 3 Ary lazaiko marina indray amin’ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankato ny lalàna rehetra izy. 4 Dia tafasaraka amin’i Kristy hianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ny lalàna; efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo. 5 Fa izahay amin’ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana [fanantenan’] ny fahamarinana. 6 Fa ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy mahasoa ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.
GALATIANA 5 : 2-6

REHEFA AO AMIN’I KRISTY NY MINO

Ho fanitsiana ireo Galatianina nandray fampianaran-diso ka nanaraka fomba jiosy ity Epistily ity. Noteren’ny jiosy hoforana mantsy ireo jentilisa vao niova fo raha niova ho kristianina. Ho fanitsiana izany fampianaran-diso izany no tena nanoratan’i Paoly izao Epistily izao. Ny mofonaina dia mampianatra fa rehefa niova fo ny olona dia ao amin’i Kristy izy. Koa satria ao amin’i Kristy dia

  1. Olon’afaka izy (and 1)

« Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika »

Ambaran’i Paoly mazava tsara eto fa nanafaka ny Galatianina tokoa Jesoa. Nanafaka azy ireo ka tsy andevo intsony izy ireo. Teo amin’ny fiarahamonina tranainy mantsy dia nisy karazan’andevo roa

– Andevo novidiana tamin’ny tompo iray mba ho andevon’ny tompo iray. Ity dia tsy tena afaka fa miova tompo fotsiny

– Andevo novidiana ka navela malalaka tsy nanompo olona intsony. Ity dia tena afaka satria niova sata, andevo tonga olon’afaka tanteraka

Ilay karazany faharoa ny mino. Rehefa nafahan’ny Tompo dia tsy andevon’olona na andevon-javatra intsony. Tena nanafaka azy tanteraka tokoa ny Tompo. Efa nafahan’ny Tompo ny Galatianina ka tsy tokony ho hadevozin’ny fanarahana ny lalàn’ny jiosy intsony. Efa nanafaka ahy sy ianao koa Jesoa, aza mety ho andevozina intsony.

  1. Olon’ny finoana izy (and 6)

« Fa ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy mahasoa ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana »

Koa satria olon’afaka isika dia tokony hahatsiaro mandrakariva fa ny asan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa no nahafaka antsika. Mitaky finoana avy amintsika izany. Ny olona afaka tamin’ny fanandevozana arak’izao dia tonga olon’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ka ny finoana no hamonjen’Andriamanitra azy fa tsy ny ezaka ataony amin’ny fanarahan-dalàna izay takian’ny fomba jiosy. Olona afaka koa izaho sy ianao, olon’ny finoana isika izany, io finoana io no hamonjena sy hanamarinana antsika rahatrizay.

  1. Olon’ny asa izy (and 6)

« Fa ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy mahasoa ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa »

Ny olona manam-pinoana dia miasa. Ny asa no endrika hita maso hanehoana ilay finoana tsy hita maso. Foto-pampianarana Protestanta Reforme matanjaka ity ambaran’i Paoly eto ity. Raha misy milaza fa manana finoana dia tokony ho olona manana andraikitra eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra izy, manana asa fanompoana an’Andriamanitra izy. Mazava tsara izay nampianarin’i Jakoba hoe « Fa maty ny tena raha tsy misy fanahy, ary maty toa izany koa ny finoana raha tsy misy asa » (Jak 2 : 26). Ny fotoana ankehitriny tokoa dia fotoana hanehoana fa manana finoana isika, miasa manasoa, miantra, mitsinjo ny mpiarabelona amintsika.

  1. Olon’ny fitiavana izy (and 6)

« Fa ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy mahasoa ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana »

Ilay fitiavana eto dia ho enti-milaza ny kalitaon’ny asa ateraky ny finoana. Ny finoana marina an’i Jesoa dia mahatonga asa am-pitiavana ao amin’ny mino. Mino an’i Jesoa isika dia miasa ho Azy, ary rehefa miasa dia teren’ny fitiavana Azy. Hoy Paoly tamin’ny Kolosianina : « Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany » Kol 3. 17. Jesoa dia ambaran’ny Soratra Masina fa fitiavan’Andriamanitra, noho izany izay rehetra atao amin’ny anarany dia atao amin’ny fitiavana. Aoka izany fitiavana an’i Jesoa, fitiavana an’Andriamanitra izany no hibaiko ny olon’afaka, mino sy miasa ho an’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.