MOFON’AINA ALAROBIA 15 SEPTAMBRA 2021

1. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Ianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.5 Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ ny miafina no ampahafantarinao ahy.7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; Sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao.9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.12 Ampodio amiko ny fifaliana amin’ ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
SALAMO 51.1-12

Sokajin’ny mpahay Baiboly ho ao anatin’ny vavaka ataon’ny olo-tokana mba hitadiavam-pamonjena amin’Andriamanitra ity Salamo ity. Olona manaiky tanteraka ny fahotany no manonona ity vavaka ity araka izao :

1-Mahatsiaro fa tomponandraikitra tamin’ny ratsy vitany

Mariho fa ny voambolana ampiasainy eto dia manondro azy nanota , toy ny hoe : « ny fahadisoako, tsaroako ny fahadisoako, ny fahotako , nanao izay ratsy teo imasonao« . Ny fanaon’ny olona mantsy dia mamatotra olona hafa fa tsy miaiky ny ratsy vitany (cf Gen 3 :12-13).Soa fianatra kosa izay nataon’i Davida eo satria niaiky ny ratsy vitany izy.

2-Nanota tamin’Andriamanitra irery izy

Ambarany eto fa tsy nanota tamin’i Batseba ba tamin’i Oria izy fa tena nanota tamin’Andriamanitra mihitsy araka ny voalaza eto hoe: « Taminao dia taminao ihany no nataoko » satria tsy nankato ny didin’Andriamanitra ( cf Deo 22 :22-24 ) ka noho izany dia nangataka tamin’Andriamanitra mba :

3-Hodiovin’Andriamanitra

Manaiky tanteraka ny fahefan’Andriamanitra izy , mino sy manantena ny fahari-po sy ny famindrampony koa . Noho izany mangataka ny fanadiovana azy . Mariho tsara ny voambolana ampiasainy eto : « sasao madio aho mba ho afa-keloka ary ho fotsy mangatsakatsaka , diovy hysopa mba ho afa-pahotana dia hadio » . Mino sy manantena izy fa na dia teo aza ny faharatsiany dia fitiavana Andriamanitra ka manana fomba hanavotana azy hatrany. Rehefa tena niaiky ny fahadisoany sy ny fahotany izy ka vonona ny hiova dia nametraka ny aminy eo am-pelatànan’Andriamanitra Ilay hany mahavonjy azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.