MOFON’AINA ALAROBIA 16 JONA 2021

1 Ary nisy lehilahy anankiray avy amin’ ny mpianakavin’ i Levy lasa naka vady tamin’ ny zanakavavin’ i Levy.2 Dia nanan-anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.3 Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’ i Neily ny fiara.4 Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.5 Ary nidina ny zanakavavin’ i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron’ i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin’ i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.6 Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan’ ny zanaky ny Hebreo ity.7 Dia hoy kosa ny anabaviny tamin’ ny zanakavavin’ i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?8 Ary hoy ny zanakavavin’ i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin’ ny zaza.9 Ary hoy ny zanakavavin’ i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.10 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin’ ny zanakavavin’ i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin’ ny rano no nangalako azy.
EKSODOSY 2 :1-10

ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA

1- Finoana mitondra fanavotana

Araka ny hitantsika ao amin’ny toko1 and.22, dia namoaka didy fara: « …Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an’i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy ». Izany no ataon’izao tantara hitantsika eto izao. Hevitra hitan’izy mivady dia ny narary ny zaza teo amoron’i Neily. Mahagaga fa Farao nandidy ny olona hanary ny zaza ao Niely ary izy mivady ireto koa dia nandefa ny zaza ao Neily rehefa nataony tao anaty fiara zozoro. Ilay toeram-pahafatesan’ ny zazalahy rehetra no nanaterany ny zanany lahy, izay mbola tsy hainy fa hataon’Andriamanitra fitaovana hamonjy ny vahoakany. Moa tsy toy izany ihany koa va ny namonjen’Andriamanitra antsika? Nirahiny ny zanany izay tsy nanota ho tonga ota hamonjy antsika ao anatin’ny fahotana. « Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika » (2Kor. 5 :21). Ho antsika : aza izay tsara ataontsika ihany no aseho an’i Jesoa fa asehoy sy ifony Aminy ihany koa ny fahotana hahafahany miditra manadio antsika.

2- Finoana mitondra famonjena

Nahita ny zaza ny zanakavavin’i Farao ka onena sy namindra fo tamin’ny zaza ka nandray sy nihevitra hikarakara azy. Tokony ho namono ny zaza ity zanakavavin’i Farao ity raha ny lalàna navoakan’ny rainy izay tsy maintsy tanterahina. Tsy izany anefa no nitranga fa namindra fo tamin’ny zaza izy. Dia nanao ny fandaminana hahaveloman’ny zaza. Mahagaga ny fitantanan’Andriamanitra fa rehefa nanatanteraka ny fanafenana ny zaza tamin’ny finoana ny ray aman-dreniny, na dia ny fahavalo aza dia tonga ho fitaovam-pamonjena ho azy ireo ka nahavelona ny zaza. Moa tsy toy izany va ny fiainantsika? Ataon’Andriamanitra hiara-miasa ny zavatra rehetra hahasoa antsika raha tena mino isika.   «  Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo » (Rom. 8 :28)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.