MOFON’AINA ALAROBIA 17 AOGOSITRA 2022

1 Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ny fanahiko; eny, ao amin’ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ny loza.2 Hitaraina amin’Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy. 3 Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy; eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany. 4 Ny fanahiko dia eo afovoan’ny liona; handry eo amin’ny masiaka aho, dia eo amin’ny zanak’olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany. 5 Misandrata any ambonin’ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao.6 Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny.SALAMO 57:1-6

1 Vavaka fangatahana fanampiana, fitahiana, fiarovana

Ianjadian-javatra sarotra sy manahirana tokoa ny fiainan’ny Malagasy ankehitriny. Hitantsika izao toe-javatra mihatra eto amin’ny fiarahamonina malagasy izao : ny aretina, ny tsy fandriampahalemana, ny faharatsiam-pitondratena amin’ny endriny samihafa, ny fahoriana ateraky ny loza voajanahary, ny fahantrana izay mampitaraina ny malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy. Niharan-javatra tahaka izany ny mpanao salamo eto ka indro izy nitodika tamin’Andriamanitra nitady vahaolana. Nitaraina mafy tokoa tamin’Andriamanitra noho ny fanenjehana sy ny fanaratsiana, eny hatramin’ny fifofoana ny ainy mihitsy aza. Matoky an’Andriamanitra manam-pitiavana sy manan-kery hamonjy azy anefa izy ka nanandratra ny feony sy nitalaho tamin’Andriamanitra : Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, eo amin’ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ny loza. Tena fanehoam-pahatokiana lehibe sy finoana mafy orina izany ataon’ny mpanao salamo izany. Tokony hananan’ny olona ianjadiam-pahoriana koa izany.

2 Tsy azo hamaivanina ny fanafihan’ny fahavalo

Tena mahavanon-doza ny fahavalo satria miteny ratsy izy ary misafaoka manenjika, masiaka tahaka ny liona izy, toy ny lefona sy zana-tsipika ny nifiny ary sabatra maranitra ny lelany. Mamela-pandrika harato maningotra ny dia izy ary tena mampitanondrika tokoa, izany hoe tena mahakivy. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao: amin’ny lafiny rehetra, amin’ny atao rehetra dia tsy manao afa tsy izay hamotehana sy handavoana ary hamonoana izy. Mino anefa ny mpanao salamo fa afaka hanampy azy ny Tompo ary tsarovy fa tsy miova ho anao ny fitiavany sy ny fanomezany vahaolana izay mino Azy

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.