Mofon’aina – ALAROBIA 17 JANOARY 2018

19 Ary Jesoa namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy.20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an’ i Jesoa izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’ izay ny fanahy. Dia lavo tamin’ ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.21 Ary Jesoa nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan’ izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.22 Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.23 Fa hoy Jesoa taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ ny mino.24 Ary niaraka tamin’ izay dia niantso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin’ ny tsi-finoako.25 Ary nony hitan’ i Jesoa fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon’ ny maro hoe: Maty.27 Fa Jesoa nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.
MARKA 9 :19-27

MANANA FAHEFANA HAHASITRANA  NY ARETINA REHETRA  NY  TOMPO

Nisy  olona nitondra ny zanany  azom-panahy  moana sy  marenina teo  amin’ny  mpianatra  mba hositranina, nefa  dia nahagaga  fa tsy nahasitrana  azy ireo  . Nambaran’ny rain’ilay  marary  tamin’i Jesoa  izany toe-javatra  izany. Ary  dia nositranin’i Jesoa  ny marary  ka sitrana tokoa. manapaka amin’ny fahefany ny Tompo  ka afaka  manasitrana  na dia   izay aretina  tsy hain’ny  olona sitranina aza.

1-Aretina  ara-nofo

Zava-dehibe  ho an’ny marary  sy ny fianakavian’ny marary   ny hahazoana  fahasitranana. Ary izany  no mahatonga  antsika tsy hitandro vola aman-karena , mivezivezy  mitety  toeram-pitsaboana  samy hafa  , eny tonga  hatrany  amin’ny mpimasy  sy ny mpisikidy  aza ny mpivavaka sasany …Tsotra ny Tenin’i Jesoa : « Ento ety amiko  izy » (and 19d) .Ento  ho eo  amin’i Jesoa  ny aretinao  rehetra , ento  ho eo  Aminy ny marary  , manana fahefana hahasitrana Izy .

2-Aretina ara-panahy 

Ny aretin-janany  no nahatonga  an-dralehilahy  hanatona an’i jesoa , kanefa rehefa tonga teo amin’i Jesoa dia hita  fa samy narary izy  mianaka , ary   ny aretin’ny rainy  aza no ratsiratsy kokoa . Tsy  inona izany  fa ny tsy finoana. Izany indrindra no mahatonga an’i Jesoa  hiteny hoe:  « Ry  taranaka tsy mino » (and 19), « ny zavatra rehetra dia hain’ny mino »  (and 23). Nalahelo  mafy  noho  ny tsy finoany ilay lehilahy  ka nangataka tamin’i Jesoa nanao  hoe:  « vonjeo  aho  ho afaka  amin’ny tsy finoako »  (and 24) . Ianao  koa , minoa  an’i Jesoa  dia hovonjena  ianao sy ny ankohonanao .

Fanontaniana:

Moa misy aretina tsy hain’ny Tompo  sitranina ve?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !