MOFON’AINA ALAROBIA 17 JONA 2020

16 Aza mandehandeha manaratsy eo amin’ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao: Izaho no Jehovah. 17 Aza mankahala ny rahalahinao amin’ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. 18 Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.
LEVITIKIOSY 19 : 16-18

NY FOMBA HITIAVANA NY NAMANA

Ny bokin’ny Levitikiosy dia boky mitantara amintsika ny fombam-pivavahana fanaon’ny Zanak’Isiraely. Boky tsy dia be mpamaky loatra izy raha mitaha amin’ny boky hafa noho izy somary sarotsarotra ny mamaky azy. Tena zavatra misongadina ao amin’ny boky ny lalàna amam-pitsipika momba ny fivavahana sy ny fanatitra ary ny fitondrantena. Eto amin’izao mofonaina izao dia mampianatra antsika ny mpanoratra ny amin’izay fomba hitondran-tena eo anatrehan’ny namana. Ireto manaraka ireto no fomba hitiavana ny namana

  1. Tsy manaratsy azy (and 16)

« Aza mandehandeha manaratsy eo amin’ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao »

Izany tenin’Andriamanitra izany dia azo ambara ho mandray roa ny heviny:

– Aza mba milaza zavatra ratsy momba ny namana. Izany hoe milaza zavatra ratsy ho enti-manaratsy ny namana. Misy aza filazana izay tsy marina fa lazaina mba ho enti-manaratsy ny namana. Aza manao izany hoy ny Tompo fa manimba ny fifandraisana aminy izany ary manimba ny fihavanana eo amin’ny roa tonta.

– Aza mba milaza afa-tsy izay ratsy mahakasika ny namana. Izany hoe tsy milaza afa-tsy ny fahalemen’ny namana, tsy milaza afa-tsy izay tsy mety ataony na ny fahadisoany. Olombelona ihany tokoa izy, tena manana ny fahalemeny fa aza dia izany fahalemeny sy fahadisoany izany foana ho hirahiraina. Manimba sy mamotika ny fihavanana aminy izany.

Raha tiantsika ny haneho fitiavana ny namantsika, mba miezaha koa milaza izay tsara ao aminy, izay mampahatanjaka azy, izay tsara vitany. Aoka ho fomba filaza miabo mandrakariva no ho filaza momba ny namana fa manatsara sy mihazona ny fihavanana tsy ho simba izany.

  1. Mananatra azy (and 17)

« Aza mankahala ny rahalahinao amin’ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy »

Ny hoe mananatra dia tsy tokony hohadinoina avy amin’ny fototeny hoe “anatra” izay azo adika hoe

– Manome anatra = toromarika mahasoa hitondrana ny fiainana. Ho fanehoana ny fitiavana ny namana dia omena azy ireo toromarika mahasoa rehetra hitondrany ny fiainany, hahatsara ny fiainany.

– Manome anatra = miteny ny tsy mety ataon’ny namana, manitsy azy amin’izay mety ho fahadisoany. Tsy mijery arina an-tava ny tena tia namana. Heloka rahateo ny mitazam-potsiny ny namana ao anatin’ny fahadisoany.

Raha tiantsika ny namantsika dia hanaro izy, omeo azy avokoa izay rehetra mahasoa azy hahatsara ny fiainany, hanaro koa izy mba tsy ho sanatria ny fahadisoany no hahavery azy sady ho heloka ho antsika. Hanaro ny vady fa izy no namantsika akaiky antsika indrindra, aza dia avela hivarilavo amin’ny zava-mahadomelina sy ny loka mpahazo ny lehilahy sy vehivavy maro. Hanaro ny zanaka, ary aza hitsitsiana rotsakazo sao sanatria hahafoy andro antsika raha diso maditra tsy azo teninena, sns…

  1. Tsy mamaly ratsy azy (and 18)

« Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’izay iray firenena aminao »

Olombelona toa antsika ny namantsika. Mpanota rahateo no iantsoan’ny Soratra Masina antsika. Amin’ny maha-mpanota antsika izay dia tokony hahatsiaro isika fa milolo-lanitra ka mety ho lena, mandia tany ka mety ho solafaka. Mety misy hadisoana hataontsika, dia toa izany koa ny namantsika. Eo amin’izay mety ho fahadisoana ataon’ny namanatsika amintsika mihitsy no ilàna antsika mahay mandefitra sy mamela heloka ka miezaka tsy mamaly ratsy izay natao tamintsika. Aoka hampahatsiahivina antsika eto izay nampianarin’i Paoly ho an’ny Kristianina tany Roma hoe: « Aza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy » (Rom 12 : 21). Tena endriky sy fomba hitiavana ny namana ny miezaka manasoa azy fa tsy mamaly ratsy azy, mahatsara ny fihavanana aminy mandrakariva koa izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.