MOFON’AINA ALAROBIA 17 MARTSA 2021

Fa araka ny itomboanareo amin’ny zavatra rehetra, na amin’ny finoana, na amin’ny teny, na amin’ny fahalalana, na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’izao fahasoavana izao. 8 Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon’ny sasany mba hizaha toetra ny hamarinan’ny fitiavanareo koa. 9 Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony. 10 Ary dia ambarako izay hevitro ny amin’izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan’ny sasany hatry ny taon-itsy. 11 Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay anananareo. 12 Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany. 13 Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin’ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany, 14 fa ny mba hisy fitoviana, ka amin’izao ankehitriny izao ny haben’ny harenareo no hahafaka ny alahelon’ireo, ary haben’ny haren’ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana, 15 araka ny voasoratra hoe: « Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy »(Eks.16 :18).
2 KORINTIANA 8 : 7-15

NY ASA FANAMPIANA IZAY SAHIRANA

Fampirisihana nataon’i Paoly ny kristianina tao Korinto ity mofonaina izy. Nampirisihana izy ireo mba handray anjara amin’ny fanampiana ireo Kristianina tany Jodia. Raha miresaka fanampiana Paoly dia ireto no nambarany eto amin’izao mofonaina izao

  1. Asa atao amin’ny fitiavana izany (and 8)

DIEM « tsy milaza izany ho didy aho, fa ny fahazotoana asehon’ny sasany no hitsapako raha fitiavana mangarangarana ny anareo »

Ilay sasany ambaran’i Paoly eto dia ny Kristianina tany Makedonia, na dia nahantra koa aza izy ireo dia nangataka ny hahazo anjara amin’ny fanampiana ireo Kristianina tany Jodia, tonga ohatra tsara ho an’ny mino izy ireo tamin’izany. Fa tian’i Paoly ho fantatra koa eto raha toa ka be fitiavana toa ny harem-be hananany ny Kristianina ao Korinto ka hanome ho fanampiana ny mino sahirana. Asa raha hahavita hahabaiko azy ireo ny fitiavana ka hatonga azy ireo hanome sy hanampy. Ny tena fanampiana arak’izany dia vokatry ny fo feno fitiavana, vokatry ny fo mitombo amin’ny fitiavana. Mahatsiaro ny hafatr’i Jesoa hoe izay atao amin’ireo kely mino Azy dia atao Aminy. Koa raha manampy ireo Kristianina sahirana dia toy ny manao asa soa amin’i Jesoa. Ampio izay azonao ampiana, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra izao. Tena toy ny mason-tsokina izao ny fiainan-tsika Kristianina, ka izay kely hananana no hahiratra.

  1. Jesoa no alain-tahaka (and 9)

« Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony »

Jesoa dia nanana ny harem-pahasoavana rehetra, Andriamanitra nanana izay feno sy ampy tao an-danitra. Mba hahatanteraka ny famonjena anefa dia nanaiky hidina ety an-tany, ho tonga olo-mahantra Izy. Izay fanekeny ny ho tonga olo-mahantra izay no maha-modely tsara alain-tahaka Azy. Matetika mila fanetre-tena, mila ezaka manokana hidina ambany raha te hanampy ny hafa hiala amin’izay hamatoran’ny fahantrana lalina azy. Efa nomen’i Jesoa ny modely tsara indrindra, ny zava-dehibe dia ny fahaiza-mianatra Aminy.

  1. Izay nokasaina dia tanterahina (and 11)

DIEM « ankehitriny kosa dia tontosay ny fanaovana azy. Nanana risi-po ianareo raha nanapa-kevitra hanao azy, ka dia aoka hanana risi-po tahaka izany koa hanatontosa azy araka izay anananareo »

Manitsy ny fomba fisainan’ny olona maro Paoly eto amin’izao mofonaina izao. Amin’i Paoly, tsy ampy ny fikaonan-doha nanapahan-kevitra. Zava-dehibe koa ny fanatanterahana izay tapaka. Be dia be ny olona tia manapa-kevitra fa rehefa hiasa hanatanteraka dia tsy hita. Tsara ny fanapahan-kevitry ny fiangonana tao Korinto hanampy, fa mila aseho amin’ny asa izany hoy Paoly, tsy hijanona ho fanapahan-kevitra fotsiny. Ary rehefa manatanteraka koa dia tsy mamorona ny tsy misy, izay eo am-pelan-tanana no ampiasaina. Izany rahateo no sitrak’Andriamanitra, mba tsy ho sanatria arahin-trosa ilay mpanampy, ka ho tonga sahirana ho ampiana indray.

Ataovy izay azo atao rehetra mba ho enti-manampy ny namana sahirana, fa manomboha amin’izay eo am-pelan-tanana anefa. Azo atao tsara koa anefa ny mangataka amin’Andriamanitra, fa Izy tena handrotsaka fahasoavana sy fitahiana ho an’izay tsara fikasana ka mikatsaka mandrakariva ny hanasoa ny mpiarabelona aminy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.