MOFON’AINA TALATA 18 DESAMBRA 2018

3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,5 rehefa notendreny rahateo amin’ ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ ny fananganan-anaka amin’ ny alalan’ i Jesoa Kristy, araka izay ankasitrahan’ ny fony,6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.
EFESIANA 1 : 3-6

MISAORA NY TOMPO

Hita matetika eny amin’ny fiandohan’ny epistily ny fisaorana, izay mifantoka kokoa amin’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy, izay nifidy tamin’ny lasa. Koa, Misaora ao amin’i Kristy :

1- Izay nitahy antsika (and.3)

Fitahiana avy any an-danitra sy tanteraka no atolotr’Andriamanitra ny mpino, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, fa tsy mba fitahiana hita maso akory. Tena asan’Andriamanitra, Ilay Tompo sy Loharanon’ny Fitahiana rehetra mihitsy no ambara eto. Mampibanjina antsika ny fanjakan’Andriamanitra, izay ho lovantsika miaraka amin’ireo mpino rehetra izany.

2- Izay nifidy antsika (and.4)

Miharihary eto fa Tompon’ny fiantsoana hatramin’ny voalohany Andriamanitra. Efa hitantsika tamin’ny nifidianany an’i Jeremia mpaminany izany (Jer 1 :5). Sady mifidy amin’ny alalany Izy no mifidy ho Azy, mba ho fiderana ny Voninahiny. Miantso antsika hanam-pahamasinana tahaka Azy Izy, ahatonga antsika hanana anjara famonjena ao Aminy.

3- Izay nanangana antsika ho zanany (and.5)

Fitiavan’Andriamanitra lehibe no nanekeny handray antsika ho lovany, ka niantsoany antsika hoe « zanany ». Fananganana anaka mampitolagaga fa tsy hampita fotsiny ny hareny, na ny fananany fotsiny, fa tena ny maha-izy azy tanteraka mihitsy. Ny zanak’Andriamanitra rehetra, araka izany, dia manana adidy haneho sy hanambara izay rehetra nomen’ny Ray azy.

Fanontaniana :

Mahatsiaro mahazo tombontsoa amin’ny nifidianan’ny Tompo anao ve ianao ? Ifampizarao amin’ny hafa izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !