MOFON’AINA ALAROBIA 18 MARTSA 2020

Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, Miverena amiko amin’ny fonareo rehetra Ary amin’ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. 13 Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, Ary miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamitra fo sy miantra Izy, Mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza, 14 Fandrao mba [Heb. Iza no mahalala na.] hanenina ihany Izy Ka hamela fitahiana ao aoriany, Dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an’i Jehovah Andriamanitrareo. 15 Tsofy ao Ziona ny anjomara, Ka manamasìna andro fifadian-kanina, Miantsoa fivoriana masina. 16 Angòny ny vahoaka, Manamasìna fiangonana, Vorio ny loholona, Angòny ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, Ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany. 17 Eo anelanelan’ny lavarangana fidirana sy ny alitara No aoka hitomanian’ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah, Ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah ô, Ary aza avela ho latsa ny lovanao, Ka hotapahin’ny jentilisa; Fa nahoana no hataony any amin’ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny?
JOELA 2 : 12-17

IREO FOMBA TSOTRA HIVERENANA AMIN’ANDRIAMANITRA

Asa fototra niantsoan’Andriamanitra ny mpaminany ny famerenana ny vahoaka Isiraely Aminy. Votoatin’ny hafatra noentin’ny mpaminany rehetra mihitsy izany famerenana ny olona amin’Andriamanitra izany. Eto amin’izao mofonaina izao dia ireto no fomba tsotra hiverenana amin’Andriamanitra

  1. Miverina amin’ny fo rehetra

« Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, Miverena amiko amin’ny fonareo rehetra… Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, Ary miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo »

Ny hoe miverina amin’Andriamanitra amin’ny fo dia fiverenana lalim-paka, avy any anaty fa tsy endrika ivelambelany. Teo amin’ny jiosy mantsy, fomba fanao ny mandriatra fitafiana hilazana ny fibebahana na ny fiverenana amin’Andriamanitra. Tonga fomba fanao ivelambelany fotsiny anefa izany. Ny fiverenana amin’ny fo dia fiverenana vokatry ny faharesen-dahatra anaty ka ny fo mihitsy no triatriarina. Zava-dehibe ny fiverenana amin’ny Tompo amin’ny fo. Zavatra hangatahin’Andriamanitra amin’ny olony rahateo tokoa mantsy ny fony. Hoy koa ny Tompo amintsika rehetra hoe: “anaka atolory ahy ny fonao” Oha 23. 26.

  1. Miverena amin’ny fifehezan-tena

« Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, Miverena amiko… amin’ny fifadian-kanina »

Ny fifadian-kanina dia fomba iray ifehezana ny tena sy ny filàn’ny tena. Fehezina ny tena mba tsy ho baikon’ny filàn’ny nofo. Rehefa mbola matanjaka be ao amin’ny olona mantsy ny filàn’ny nofo dia sarotra aminy ny ho tafaverina ao amin’ny Tompo. Ny fifehezan-tena amin’ny alalan’ny fifadian-kanina no fomba iray hiverenana amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Anisan’ny zavatra tonga sarotra amin’ny olona ankehitriny ny fifadian-kanina, mitaky fifehezan-tena be mantsy izany. Sarotra amin’ny olona izany satria efa nozariny nomena vahana ny tenany sy ny nofony. Raha tsy manampy azy ny Fanahy Masina, raha tsy omen’Andriamanitra hery izy dia tonga sarotra amin’ny olona izany. Azo atao tsara anefa ny mangataka ny herin’Andriamanitra ho enti-mifehy tena.

  1. Miverina amin’ny vavaka

« Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, Miverena amiko… amin’ny fitomaniana ary ny fitarainana »
Ny fitomaniana sy ny fitarainana eto dia azo adika ho endriky ny vavaka atao amin’Andriamanitra. Tsy ho afaka hifehy tena ny olona raha tsy efa matanjaka amin’ny vavaka izy. Tsy ampy ny fifadian-kanina tsy misy vavaka. Ny fahaiza-mifandray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka no manome hery ny mino hifehy tena. Ny fahatsara-pifandraisana amin’Andriamanitra no manome hery antsika handresena ny herin’ny nofo ka hanomezana hery ny fanahy. Amin’izao fotoan’ny karemy izao, aoka ho zava-dehibe amintsika ny fiainam-bavaka, manampy be amin’ny fahaiza-mandini-tena mantsy izany.

Fehiny: fotoan’ny karemy izao, koa miverena amin’Andriamanitra

– Amin’ny fo rehetra ary aoka tsy ho zavatra ivelambelany izany

– Amin’ny fifehezan-tena mba hahaizana mifehy ny filàna

– Amin’ny vavaka izay manatsara ny fifandraisana amin’Andriamanitra ka hanovozana hery

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.