Mofon’aina – ALAROBIA 19 APRILY 2017

8 Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran’ ireo zavatra ireo?9 Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ ny andro farany.10 Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.11 Ary hatramin’ ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan-andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.12 Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.13 Fa mandehana ianao mandra-pihavin’ ny farany; fa hitsahatra hianao ka hitsangana ho ao amin’ ny anjaranao amin’ ny andro farany.
DANIELA 12 :8-13

ANDRIAMANITRA NO TOMPO

1-Manome  faminaniana ny amin’ny ho avy ny Tompo

Soratra apokalyptika  ity faminaniana ity . Zava-miafina  ho an’i Daniela  ny farany  ka nahatonga  azy hanontany  ny anjely (and8). Efa voasoratra ny fitsarana  sady voahorona  sy vita tombokase ny boky  ka tsy hisy  afaka  hamaha sy hamaly  ny fanontaniana.Miandry ny fahatanterahany no anjarantsika. Fotoana  telo samihafa   no omena  ao amin’ny  boky, and 7, 11,12. Misy  fotoanany ny zavatra rehetra  ao amin’ny tantara : fanombohana , fanatanterahana ary ny farany . Omen’ Andriamanitra  fotoana ny olona hiomanana fa tsy maintsy  ho avy ny andro  fitsaran’ Andriamanitra. Ampiomanina  ny olona  hamantatra  ny sitrapon’ ny  Tompo  ka hibebaka .

2-Manome fitsaharana ny Tompo

Andro  mahasambatra ny mino  ny andro farany  (and12). Hisy  ny fotoana « fahoriana ho fanadiovana sy famotsiana ary fizahan-toetra » (and 10). Mifaly  amin’ny fanaovan-dratsy  ny ratsy fanahy, tsy fantany  ny vontoatin’ny faminaniana  dia ny loza  ho avy   eto amin’izao tontolo izao. Hiseho  eo amin’ny firenena ny fahavetavetana  sy  fampitsaharana ny fanatitra. Mialoha izany  dia omena  fotoana  hiomanana amin’ny hiatrehana ny fitsarana  sy ny fahafahan’ ny Israely. Ho tonga  ny fitsaharan’i Daniela  dia ny fahafatesana izany. Hitsangana izy amin’ny andro farany, ho amin’ny anjarany .Manome  fanantenana  ho antsika izany . Manatrika  antsika mandrakariva   ny Tompo na dia misy  aza ny ratsy   sy ny loza.

Fanontaniana :

Matoky  ve ianao  fa ho avy ny Tompo  hamonjy antsika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !