MOFON’AINA ALAROBIA 19 DESAMBRA 2018

14 Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah.15 Ary firenena maro no hanaiky ho an’ i Jehovah amin’ izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao.16 Ary Jehovah hanana an’ i Joda ho anjarany ao amin’ ny tany masina ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray.17 Mangina eo anatrehan’ i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin’ ny fitoerany masina Izy.
ZAKARIA 2 : 14-17

NY FIHAVIAN’NY TOMPO

 Ny fanarenana ny fiainan’ny Israelita taorian’ny fahababoana no ambaran’ny bokin’i Zakaria. Andriamanitra mihitsy no ho avy handray an-tanana hanarina sy hiaro ny tanàna.

Ho avy amim-boninahitra ny Tompo!

1- Hitoetra eo anivon’ny vahoaka (and.14-15)

Ny teny hoe « honina ao afovoanao Aho » dia fanambarana manetriketrika ataon’Andriamanitra fa hiverina hitoetra ao amin’ny Azy Izy. Fifaliana sy faharavoravoana lehibe no handraisana izany, satria izany no banga teo amin’ny Joda tany am-pahababoana. Fanambarana Mesianika lehibe tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy. Ilay Teny tonga nofo ka nonina na nitoetra an-day tamintsika izany (Jao1 l4a). Fampaherezana ho antsika mpino izany, ka mendrika ho deraina amin’izao ankatoky ny noely izao satria Andriamanitra mirotsaka an-tsehatra eo anivontsika Izy.

2- Hanandratra ny fireneny (and.16-17)

Haverina amin’ny laoniny ny fifidianan’ny Tompo ny firenena voafidiny. Hanana ny hasiny indray i Joda sy i Jerosalema. Ihataka ho azy ny fahavalo. Ho tazan’izao tontolo izao izany, ka ahazo fankatoavana iraisam- pirenena izy, satria hiseho tampoka amim-boninahitra ny Tompo avy amin’io fítoerana masina io. Lasa ivon-toeram-pahamasinan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao i Joda noho izany. Voambara hatrany fa avy amin’ny jiosy ny famonjena ary avy ao anatiny ho hivoahan’izay ho mpanampaka ny Israely (Matio 2 :6). Manana anjara amin’ny fanarenana ity firenena ity, araka izany, ny fankalazana ny fihavian’ny Mpamonjy.

Fanontaniana :

Inona no antenaintsika amin’ny fihavian’ny Tompo’?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !