MOFON’AINA ALAROBIA 19 FEBROARY 2020

1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ny Farihin’i Genesareta Jesoa; 2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. 3 Ary niditra teo amin’ny sambokely anankiray izay an’i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin’ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. 4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesoa, dia hoy Izy tamin’i Simona: Mandrosoa ho any amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato. 6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. 7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin’ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. 8 Ary rehefa hitan’i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. 9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ny hazandrano izay azony. 10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’i Simona. Dia hoy Jesoa tamin’i Simona: Aza matahotra; hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. 11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa.
LIOKA 5 :1-11

KRISTIANINA MAHAFOY NY ZAVATRA REHETRA KA MANARAKA AN’I JESOA

Eo amin’ny famaranana ity tantara ity Petera rehefa avy nampiantsona ny sambokeliny dia ambaran’ny Soratra Masina fa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa. Inona re no zavatra nataon’i Jesoa ka nahatonga an’i Petera nanapa-kevitra toa izany? Aorian’ny famakiana ity fanazavana ity koa isika, rehefa mahazo tsara ny hafatry ny tenin’Andriamanitra dia hiteny hoe: « Jesoa, foiko ny zavatra rehetra ka hanaraka Anao aho ». Raha tonga amin’izany fanapahan-kevitra izany isika dia ho tratra ny tanjon’ny hafatry ny tenin’ny Tompo. Ireto no hafatra

  1. Misy fotoana mety tsy mahomby isika (and 1,2)

« ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony »

Ny hoe hitan’i Jesoa ny sambokely dia ho enti-milaza an’i Jesoa miara-belona sy miara-monina amin’ny olona ka mahita ny fiainany an-davanandro. Eto amin’izao mofonaina izao ny filazana ny mpianatra nanasa harato dia filazana tsy fahombiazana satria na dia nikely aina aza, niezaka mafy nandritry ny alina dia asehon’ny tantara fa tsy nahomby. Na dia olona efa manana fahaiza-manao amin’ny fanaratoana aza ry Petera, tojo tsy fahombiazana izy eto. Anisan’izay mamaritra ny fiainana maha-olombelona ny tsy fahombiazana ka tsy tokony dia hatao ho zava-mahagaga loatra. Eo anatrehan’ny tsy fahombiazana anefa dia tsy mahazo mamoy fo na kivikivy. Antsoina aza isika hifikitra tsara amin’ny Tompo ka tsy hiala Aminy.

  1. Miditra eo amin’ny fiainan’ny olona amin’ny fotoana maha-mety ny Tompo (and 3-7)

Ny mahagaga dia ny mahita fa tsy tamin’ny fotoana alohan’ny nanaratoan-dr’i Petera tamin’ny alina Jesoa no niditra tao amin’ny sambo fa tamin’ny fotoana izay efa tsy nahombiazana. Nahoana tokoa moa? Araka ny fandinihan’ny mpandinika dia mihaino kokoa ny olona rehefa amin’ny fotoan’ny tsy fahombiazana. Raha nahomby teo mantsy izy ireo dia azo heverina ho variana tamin’ny zavatra hafa ka tsy mba nihaino an’i Jesoa akory. Meteza hidiran’i Jesoa ny fiainantsika, ny asantsika, ny fianarantsika. Fa izao, aza miandry tsy fahombiazana fa mampiditra an’i Jesoa eo amin’ny sehatra rehetra misy antsika.

  1. Mampianatra Jesoa manaisotra ny fisalasalana ao amin’ny mino (and 4-5)

Ambaran’ny tantara fa nampianatra Jesoa rehefa niditra tao amin’ny sambokely. Ary rehefa vita ny fampianarany dia nasainy nandroso ho amin’ny lalina ry Petera. Mazava tsara fa ny valintenin’i Petera dia nahitana soritra fisalasalana ihany noho ny hai-zatra efa nananany. Kanefa hoy izy hoe: « noho ny teninao dia halatsako ny harato ». Mandray roa ilay tenin’i Petera eto: noho ny fampianarana nataon’i Jesoa sy noho ny baikony no naharesy lahatra azy handatsaka ny harato. Ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra dia manaisotra ny fisalasalana eo amin’ny olona ka mandrisika azy hiroso amin’ny lalina izay hahitany fahombiazana tanteraka. Mazoto mihaino fampianarana ny tenin’Andriamanitra ary araho fankatoavana izany fa hahita fahombiazana isika.

  1. Manova izay rehetra nampahombiaziny ny Tompo (and 8-11)

« Dia hoy Jesoa tamin’i Simona: Aza matahotra; hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao »

Novan’i Jesoa Petera rehefa nampahombiaziny. Novany ho mpanarato olona fa tsy ho mpanarato trondro intsony. Fa inona tokoa moa no maha-samihafa ny mpanarato olona amin’ny trondro?

– mpanarato trondro: mamindra ny trondro izay velona amin’ny toerana maha-velona azy amin’ny toerana mahafaty azy, mamono raha ny marina ny mpanarato trondro

– mpanarato olona: mamindra ny olona avy amin’ny fahafatesana amin’ny fahavelomana, mamindra olona avy amin’ny haizina ho amin’ny mazava lehibe.

Rehefa takatr’i Petera fa ny fahombiazana izay hitany dia toa ny zavatra nasehon’i Jesoa taminy fa rehefa miaraka amin’i Jesoa tsy maintsy mahomby, ary rehefa tena mahomby dia mila mahafantatra mazava tsara ny tena antom-pisiana, tsy mpamono fa mpamelona, mpitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Noho ny fahatsapany sy noho ny fahatakarany an’izany no nahatonga azy resy lahatra hahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa. Rehefa tena takatsika sy fantatsika ny antony ilàn’i Jesoa antsika, dia tonga mahafoy ny zavatra rehetra isika ka manaraka an’i Jesoa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.