MOFON’AINA ALAROBIA 2 NOVAMBRA 2022

Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. 2Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, 3tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, 4mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, 5manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro. 6Fa isan’ireny izay misokosoko miditra any an-tranon’ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran’ny fahotana, entin’ny filàna maro, 7mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina. 8Ary tahaka ny nanoheran’i Jana sy Jambra an’i Mosesy no anoheran’ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina. 9Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo koa.II TIMOTY 3: 1-9

Mananatra an’i Timoty zanany i Paoly ny amin’ny zavatra hitranga any am-parany. Ny mpandinika dia milaza fa manomboka eo amin’ny andro Pentekosta ny andro farany ary miafara amin’ny andro hiavian’i Kristy fanindroany. Jereo ȧry:

1- Efa miseho ny famantarana

Tia tena, tia vola, mpandoka tena, mpiavonavona, tsy mahalala fomba, tsy manam-pitiavana, loza be sns… zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina ankehitriny ireo voalazan’ny Soratra Masina ireo. Asain’ny Tenin’ Andriamanitra mitandrina isika satria tsy lamaody arahina ireo fa fisehoan’ny andro farany. Ankehitriny mantsy dia ny adalana indray no tonga fahendrena. Izay tsy miakanjo rovitra indray no toa adala fa izay mitafy voron-kitsay hendry. Ary efa miseho lany ny no fampandaniana ireo lalana feno adalana eo amin’ny firenena samihafa. Hoy ny Tenin’ny Tompo aminao: « Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina… » (Rom. 12:2). Famantarana ireny fa tsy zavatra natao harahina akory.

2- Efa betsaka ny tsy miorina (and.5)

Ny karazan’olona hafa indray dia ireo milaza azy ho Kristiana nefa tsy menatra sy tsy matahotra amin’ny fahotana ataony. Tsy anarana entim-poana ny anaran’i Kristy ary mazava fa tsy ny anarana maha Kristiana no mahavonjy fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Na i Jesoa aza efa nanatra mafy ny mpianany fahizay hoe: « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao my sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra » (Mat. 7:21). Aza mianina fotsiny amin’ny fitondranao ny anarana hoe Kristiana fa iaino ny Teniny mba hahatonga anao tsy hanenina amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy. « Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany » (Mat 24 :36)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.