Mofon’aina – Alarobia 20 janoary 2016

2 Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;3 ary tamin’ ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.5 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan’ ny Zanak’ Isiraely, izay ampanompoin’ ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko.6 Koa lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo.8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin’ ny tany izay nananganako tanàna homena an’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.
EKSODOSY 6 :2-8

MIKARO-DÀLANA HAMONJY SY HANAFAKA ANDRIAMANITRA

1-Manambara ny tenany amin’izay omeny andraikitra Izy

Miverimberina ny teny hoe : « Izaho no Jehovah » (and 2, 6, 7,8). Tsy manao izany fanambarana ny tenany izany anefa Izy raha tsy hamonjy. Ny olona tsy anafenany ny ataony sy anambarany ny maha-izy azy ny fanekena nataony Izy dia omeny andraikitra. Mikaro-dàlana hamonjy sy hanafaka Andriamanitra, ka manambara ny tenany amin’izay omeny andraikitra. Raisintsika ao amin’ny Soratra masina ary rentsika amin’ny toriteny sy fampianarana mandraka ankehitriny ny fanambaran’ Andriamanitra ny tenany. Ny antony : hamonjy sy hanafaka ny Tompo ka mampandray andraikitra antsika tahaka ny nataony tamin’I Mosesy.

Mampahatsiaro ny fanekena nataony Izy

Eo amin’ny and 5 ny Tompo dia miteny hoe : « Tsaroako ny fanekeko ». Nanao fanekena tamin’ny razamben’Israely Izy fa hanome azy ny tany. Io no tsaroany ka tsy maintsy nentiny ho any amin’io tany io ny vahoaka. Tsy mivadika amin’ny Teniny ny Tompo, ary izany no miantoka ny fanantenantsika ao Aminy. Marina Izy ka tsy mivadika amin’izay nambarany, sady mahatsiaro ny fampanantenana nomeny. Tsy nanao fanekena tamintsika hatramin’ny farany izany, na dia namoizany ny ain’ny zanany lahitokana aza . Koa matokia fa tsy maintsy mamonjy antsika ny Tompo.

Fanontaniana :

Efa nanambaran’ Andriamanitra ny tenany ve ianao , ary inona no aterak’izany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !