MOFON’AINA ALAROBIA 20 OKTOBRA 2021

1 Ary Jesoa namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:2 Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ ny zananilahy.3 Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.4 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin’ ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin’ ny fampakaram-bady hianareo.5 Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin’ ny sahany, ary ny anankiray ho any amin’ ny varony.6 Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.7 Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.8 Dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.9 Koa mankanesa hianareo any amin’ ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin’ ny fampakaram-bady.10 Dia nivoaka ho any amin’ ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady.12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa hianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady? Dia sina izy.13 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin’ ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.14 Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.
MATIO 22 : 1 – 14

Fanoharana no entin’i Jesoa manazava ny amin’ny fanjakan’ny lanitra eto. Raha te-hiditra amin’izany ny olona

1 – Tsy maintsy miala amin’ny avonavona

Ny fanoharana eto dia milaza ny jiosy, izay nanana tombondahiny manokana satria nofidian’Andriamanitra, i Jesoa tenany aza nisy fotoana nilaza mihitsy fa   «  tsy nirahina afa- tsy amin’ny ondry very amin’Israely »  Efa naniraka mpaminany maro Izy nefa tsy te -hahalala izany ny Jiosy, ary novonoiny ihany ny Tompo . Ary tsy ny jiosy ihany fa maro koa ny olona no nanana tombom-pahasoavana nahare fitoriana ny Filazantsara hatrany fa minia tsy mandray, na mahita fialana mandrakariva. Ianao kosa, dieny misy fanasana na mety ho toriteny izany na fampianarana … Irak’Andriamanitra mitory an’i Jesoa hitaona anao ho amin’ ny famonjena ireny, aza mafy hatoka sao ho nenina ho anao amin’ny fotoanandro izany (and 7).

2 – Mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy

Rehefa tsy tonga ireo nasaina dia nisokatra ho an’ny olona rehetra kosa ny famonjena Efa nasehon’i Jesoa izany tamin’ny nanasitranany ny zanakavavin’ilay vehivavy Kananita , Izany hoe : ny olona rehetra tsy ankanavaka no antsoina handova ny fanjakan’ny lanitra, saingy tsy izay rehetra nantsoina no afaka mankao fa izay « mitafy ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady » ihany, izany hoe izany manana an’i Kristy ihany, mino Azy, mandray Azy. Ianao koa , raiso i Jesoa fa Izy ihany no antoka hahazoanao mandova ny fanjakan’ny lanitra. Natao ho an’ny rehetra tokoa ny famonjena, fa tsy ny rehetra no voavonjy fa izay mino ihany. Fahaverezana no anjaran’ ny tsy mino (and 13 ) .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.