Mofon’aina – Alarobia 21 desambra 2016

67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin’ ny taranak’ i Davida mpanompony Izy70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin’ ny fahagola),71 Dia famonjena antsika amin’ ny fahavalontsika, sy amin’ ny tànan’ izay rehetra mankahala antsika;72 Manefa famindrampo amin’ ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin’ i Abrahama razantsika,74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin’ ny fahavalontsika isika,75 Amin’ ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ ny andro rehetra hiainantsika.76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan’ ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.77 Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ ny famelana ny helony,78 Noho ny halehiben’ ny famindrampon’ Andriamanitsika, izay hiposahan’ [Na: niposahan’]ny mazava avy any amin’ ny Avo ho antsika.79 Hamirapiratra amin’ izay mipetraka ao amin’ ny maizina sy ao amin’ ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin’ ny lalam-piadanana.80 Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan’ ny andro nisehoany tamin’ ny Isiraely.
LIOKA 1 :67-80

MENDRIKA HISAORANA NY TOMPO ANDRIAMANITRA

Feno ny Fanahy masina i Zakaria. Fisaorana an’ Andriamanitra no nataony raha vao nisokatra indray ny vavany. Ny foto-kevitr’izany tononkira izany no hitantsika eto . Mendrika hisaorana sy hanakalzaina tokoa ny Tompo noho ireto antony manaraka ireto :

1-Namangy sy nanavotra ny olony Izy (and 68)

Maneho izany ny nahaterahan’i Jaona izay mpaminany mpialoha làlana hampiomana ny olona amin’ny fandraisana ny fiavian’ny Mesia , araka izay efa nambaran’ny mpaminany fahiny (and71). Ny fahaterahan’i Jesoa no endriky ny famangian’ Andriamanitra antsika ka ny fandraisana ny teniny no mitondra fanafahana sy fanavotana antsika amin’ny tànan’ny fahavalo, ka hananantsika fiadanana (and79). Ilàna fiomanana anefa ny fandraisana ny Tompo, ka izany no ijoroan’ny Fiangonana ho mpaminany sy mpialoha làlana, mialoha ny fiaviany indray .

2-Mitandrina ny fanekeny Izy (and 72-75)

Tsy mba tahaka ny olona Andriamanitra ka hivadika amin’ny fanekena izay nataony. Efa nampanantena an’i Abrahama Izy fa avy amin’ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Koa amin’izao fahaterahan’i Mesia izao no fahatanterahan’izany teny fampanantenana izany, izay mahatratra antsika taranaka ankehitriny sy ny taranaka any aoriana koa.Ny fahatsapana izany no mitarika antsika hankalaza Azy.

Fanontaniana:

Inona no antenainao amin’izao fankalazana ny Tomo noho ny krismasy izao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !