Mofon’aina – ALAROBIA 21 JONA 2017

1 Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.2 Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ ny isan’ ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;3 ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo an-kavanan’ ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany.4 Dia niteny tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?5 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.6 Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin’ i Jehovah amin’ i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.7 Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’ i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!
ZAKARIA 4 :1-7

« TSY AMIN-KERY NA AMIM-PAHATANJAHANA  FA AMIN’NY FANAHIKO, HOY I JEHOVAH » (ZAK 4 :6)

1-Manome ny  Fanahiny  ny Tompo

Ny Fanahy Masina  no ambaran’ny fanaovan-jiro  fito  sy ny diloilo avy amin’ny oliva amin’izao fahitana izao. Manome  fahazavana  ho an’i Zerobabela governoran’i Joda ny Tompo mba hantanterahany ny fikasan’ Andriamanitra  amin’ny fanarenana  an’i Jerosalema sy ny Joda manontolo. Tsy hitsahatra  izany fahazavana  ho entiny   izany  fa ny  Tompo   no  manome  azy tahaka   ny  diloilo  mifandray   amin’ny lela  afon’ny fanaovan-jiro fito. Na  ho amin’ny ankavia na eo amin’ny ankavanana  dia hisy  fitoeran-diloilo  avy amin’ny hazo oliva  mifandray amin’ny lelan’ny fanaovan-jiro amin’ny alalan’ny fantsona  fito. Tsy  ho vita  ny fanarenana  ny tanàna  sy ny mponina  raha  tsy  i Jehovah  no  miasa  amin’ny Fanahiny (Sal 127 :1-2).

2-Miasa  mahomby  ny governora Zerobabela 

Ny tendrombohitra  lehibe  ho  tonga  lemaka  ary  ny vatony  hatao tendrony (and 7). Tsy  hisy  hahasakana  ny asan’ Andriamanitra  hotanterahan’i Zerobabela momba ny fanarenana  an’i Joda  na dia  mafy  sy lehibe  tahaka ny tendrombohitra  aza izany (Mat 17 :20; Mat 11 :23). Hovahan’ny Tompo  ny fahoriana  sy ny tsy fahamarinana  nateraky  ny faharavana   vokatry  ny fahababoana  sy ny fahotana. Ho  vita  ny tempoly ka hoderaina  ao anivony   ny « fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy ». Hoderaina ao indray ny Mesia  Mpamonjy  (Mar  11 :9-10;Jao 12 :13).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !