Mofon’aina – ALAROBIA 21 MARTSA 2018

1 Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an’ i Jesoa.2 Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.3 Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe:4 Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?5 ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy;6 ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.7 Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
LIOKA 15 :1-7

MAHAFALY NY TOMPO  NY FIBEBAHANA

1-Manatona ny Tompo ny olona mibebaka 

Famaritana  omen’ny Soratra masina eto  fa  ny fanatonana an’i Jesoa Kristy  no tena  fibebahana  marina. Manapa-kevitra  ireo mpamory  hetra sy ny mpanota  « nanatona hihaino  an’i Jesoa » (and 1). Raisiny  sy asandrany  izay  manatona  sy mihaino  ny teniny : « ataony eny an-tsorony »  (and 5). Mahafaly  an’i Jesoa ny mahita  indray  ny ondriny very, dia  ny mpanota mibebaka. Tsy  menatra  izay  manatona Azy i Jesoa. Tokana aman-tany  ny olona tsirairay : tian’ i  Jesoa  ka tsy maintsy  mitady  azy ireo  Izy.

2-Mitady  ny very ny Tompo 

Maro  ny olom-boavonjy, fa tena  sarobidy  amin’ny Tompo   ny anankiray   very  amin’ny ondriny. Hamonjy  ny  olona rehetra  mpanota sy  very   no  antony   manokana nidinan’ Andriamanitra  tety an-tany, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Mitady  ny maditrany i Jesoa. Tsy  misy  manana  hevitra  sy ho afaka mamonjy  ny mpanota afa-tsy  i Jesoa irery  ihany. Manan-danja  sady sarobidy  amin’i Jesoa  ny olombelona. Mitady sy manangona ny very Izy.

3-Mifaly  miaraka  amin’ny Tompo any an-danitra

Miombom-pifaliana ny mponina  any an-danitra  rehefa  mibebaka  ny  mpanota. Mampiray  fifaliana  ety an-tany  sy any an-danitra  ny fibebahana ao  amin’i Jesoa Kristy. Isan’ny  làlana  hahatongavan’ny mpanota  any an-danitra  ny  fibebahana. Mahita antsika ny Tompo  ao  amin’ny fibebahana marina tokoa.

Fanontaniana:

Tena  mifaly  amin’ny fibebahan’ny olona iray  tokoa ve ny fiangonana ? Manomeza ohatra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !