MOFON’AINA ALAROBIA 21 SEPTAMBRA 2022

15 Ary ny anankiray tamin’izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. 16 Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. 17 Ary naniraka ny mpanompony izy tamin’ny fotoana fisakafoana hilaza amin’izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana. 18 Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako. 19 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako. 20 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin’izany tsy afaka mankany. 21 Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin’ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin’ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin’ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa. 22 Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano. 23 Ary hoy ny tompo tamin’ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko. 24 Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.LIOKA 14:15-24

« Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra » (and 15b)

NY FANASANA AO AMIN’NY FIAINANA MANDRAKIZAY

1-Miantefa amin’ny olom-boantso

« Ary naniraka ny mpanompony izy …hilaza amin’izay efa nasaina » (and 17) .Ireto sokajin’olona voalaza voalohany amin’ny fanasana ireto dia azo ambara fa ireo izay efa fabtatry ny mpannasa akaiky ny momba azy. Indrisy anefa fa nandiso fanatenana izy ireo. Tsy nahakivy ny mpanasa sy ny iraka mpampita hafatra ny fangatahana andro sy fialan-tsiny nataon’izy ireo. Aza atao ambanin-javatra ny antson’ny Tompo aminao. Aza mangataka andro lava.

2- Miantefa amin’ireo voalilika

Ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa (and 12) .Tsy misy fizahana tavan’olona ao amin’ny fanajakn’Andriamanitra fa manana anjara ao ireo voailiky ny fiarah-monina sy ireo anjorombala. Ambaran’i Jesoa fa an’ireny malahelo am-panahy irenu ny fanjakan’ny lanitra (Mat 5 :5). Mila mikely aina mitory amin’ireny mahantra sy sahirana ireny isika.

3-Miantefa amin’ny Jentilisa

Mandehana ho eny amin’ny lalambe sy ny sisimboly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko (and 23). Fifalian’ny Tompo mihitsy ny mahatafavory ny olona maro ho ao amin’ny fanjakany. Ftoriana amin’ny olona rehetra sy ny olona manontolo no adidintsika. Ny mpitory ny Filazantsara dia tsy maintsy mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo azy hatrany amin’ny faran’ny tany .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.