MOFON’AINA ALAROBIA 22 AOGOSITRA 2018

22 Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin’ ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.23 Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo.24 Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany.25 Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain’ ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.26 Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran’ ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran’ ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan’ ny andro.27 Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran’ ny trano, dia nivoaka handeha tamin’ ny làlan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran’ ny trano, ary ny tànany eo amin’ ny tokonana.28 Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin’ ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin’ ny fonenany.29 Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin’ ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin’ ny taolana ho roa ambin’ ny folo toko, ka nampitondrainy eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra.30 Ary hoy izay rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin’ ny andro niakaran’ ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta ka mandraka andro-any; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.
MPITSARA 19 :22-30

TANDREMO ! ATSAHARO NY HERISETRA ARA-NOFO

Karazana herisetra maromaro no hita eto amin’ity Soratra Masina ity saingy siganina manokana ireto noho izy ireo miha-mahazo vahana eo amin’ny fiaraha-monina ankehitriny : fampirafesana ,firaisana ara-nofo amin’ny mitovy fananahana ary fanolanana.
Ezahina mafy ankehitriny ny mandresy lahatra fa fanohintohinana ny zo maha-olombelona ny fanoherana ny fampirafesana sy ny firaisana ara-nofo amin’izay mitovy fananahana .Ezahina mihitsy ny mtaiza ny fiaraha-monina hanaiky ireny .Manginy fotsiny ny firongatry ny fanolanana ,indrindra amin’ireo zaza tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan’ny fanafihan-jiolahy .
Ahariharin’ny Soratra Masina amintsika anefa ankehitriny fa sady fandikana ny Tenin’ Andriamanitra ireny no herisetra ara-nofo ka tsy maintsy toherin’ny fiangonana amin’ny heriny rehetra, indrindra raha olon’ny fiangonana no tafalatsaka ao anatin’ny karazana herisetra ara-nofo ireny.
Hoy ny famaranana izao toko faha 19 izao : « Hevero izany , samia maka saina,ka ambarao ».Mila mijoro isika fiangonana hanohitra ny fampirafesana , ny fanaovana firaisana amin’izay mitovy fananahana , ary ny fanolanana .Ny fandikana ny didin’ Andriamanitra no anisan’ny niteraka ny herisetra rehetra hita eto .

Fanontaniana :
Diniho ka tadiavo aiza ny toko sy andinin-tSoratra Masina mandrara ny fanaovana ireo tranga ireo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !