MOFON’AINA ALAROBIA 22 APRILY 2020

44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. 45 Dia nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. 46 Ary hoy Izy taminy: Izao no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo; 47 ary mba hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. 48 Ary ianareo no vavolombelon’izany. 49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo.
LIOKA 24 : 44-49

IANAREO NO VAVOLOMBELON’IZANY

Ny and 48 dia fanambaran’i Jesoa fa ireo Apostoly no vavolombelona. Ny tena vavolombelona eto dia

  1. Nahita ny fahaveloman’i Jesoa (and 36)

« Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo »

Rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesoa dia niseho tamin’ny Apostoly. Ity fisehoana ity dia fanehoana tamin’izy ireo fa marina ny tenin’i Jesoa tamin’izy ireo talohan’ny fahafatesany. Fisehoana ihany koa izay maneho fa marina ny fijoroana vavolombelon’ireo vehivavy nilaza tamin’izy ireo fa natsanganan’Andriamanitra tamin’ny maty tokoa Jesoa. Andriamanitra nandresy ny fahafatesana Jesoa Kristy. Ity Jesoa niseho tamin’izy ireo ity no Andriamanitra velona.

Tsy ho afaka hijoro vavolombelona izay rehetra tsy nahita ny fahaveloman’i Jesoa. Izay nahita izany ihany, toa ireto Apostoly no afaka hanambara izany amin’ny hafa. Izay rehetra mahita kosa dia tonga mpanambara izany.

  1. Nampianarina Soratra Masina (and 44)

« Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo

Iray amin’izay maha-vavolombelona ny vavolombelon’i Jesoa ny fahaizana Soratra Masina. Ireto mpianatra ireto dia tsy nino ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty noho izy ireo nanadino ny tenin’i Jesoa. Eto dia nampahatsiaro azy ireo ny Soratra Masina Jesoa (Testamenta Taloha). Ny Testamenta Taloha izay nahitana ireto sokajim-boky ambara eto ireto : Pentatioka na Boky dimy nosoratan’i Mosesy (Lalàn’i Mosesy) – ny Mpaminany – ny soratra na Literatiora Jiosy (Salamo). Ny fitsanganan’i Jesoa mantsy dia tena fahatanterahan’ny Testamenta Taloha araka izay voasotra eto izao. Tanterak’i Jesoa, na tanteraka tao amin’i Jesoa ny Soratra Masina.

Fototra sy ivon’ny Soratra Masina ny fanambarana momba an’i Jesoa : Jesoa nijaly, maty ary natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty. Mampianatra antsika Lioka fa miivo eo amin’i Jesoa ny Testamenta Taloha, Jesoa no ivo sy fototry ny zavatra voasoratra ao. Raha tonga teto amin’izao tontolo izao Jesoa, tonga nanatanteraka izay voasoratra tao.

  1. Nosokafana ny saina hahatakatra ny Soratra Masina (and 45)

« Dia nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina »

Tsy hoe nampahatsiaro ny Testamenta Taloha sy ny teny fampianarany fotsiny Jesoa. Fa tonga mihitsy nanokatra ny sain’ireto mpianatra. Ny fanokafan’i Jesoa ny sain’izy ireo mantsy no mahatonga azy ireo hahatakatra izay ambaran’ny Soratra Masina. Tonga takatr’ireto mpianatra ireto fa tanteraka tao amin’i Jesoa ny Soratra Masina. Tsy misy afaka hahatakatra ny Soratra Masina arak’izao raha tsy efa nosokafan’Andriamanitra ny sainy. Asan’ny Fanahy Masina ankehitriny ny manokatra ny sain’ny olona hahatakatra ny Soratra Masina. Ary raha ny marina tsy hoe manokatra ny saina fotsiny ny Fanahy Masina fa tena manazava ny Soratra Masina mihitsy.

Tsy misy na iza na iza afaka mahatakatra fa tanteraka tao amin’i Jesoa ny Soratra Masina raha tsy sokafan’i Jesoa sy ny Fanahy Masina ny sainy. Tsy misy na iza na iza ho afaka hijoro vavolombelona marina raha tsy mahay Soratra Masina koa anefa. Noho izany zava-dehibe ny fahaizana Soratra Masina, zava-dehibe ny fanokafan’i Jesoa ny saina hahatakarana ny fahatanterahan’ny Soratra Masina tao Aminy hijoroana ho vavolombelony.

Vavolombelon’izany isika, vavolombelon’ny fahaveloman’i Jesoa satria efa nahita fa nitsangana marina tokoa Izy, ary vavolombelona isika noho isika mianatra Soratra Masina ka mahalala fa miivo eo amin’i Jesoa ny Soratra Masina manontolo. Vavolombelona isika satria miasa ao amintsika ny Fanahy Masina manazava ny hevitry ny Soratra Masina amintsika ka mahatonga antsika mahatakatra fa tanteraka tao amin’i Jesoa izay voasoratra rehetra ao amin’ny Soratra Masina manontolo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.