MOFON’AINA ALAROBIA 22 JANOARY 2020

35 Izao no lazain’i Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fanazavana amin’ny antoandro Ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ny alina, Izay nampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, — Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany: 36 Raha miova eo anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, Dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak’Isiraely. 37 Izao no lazain’i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, Na mahafantatra ny fanorenan’ny tany ambany, Dia Izaho kosa hanary ny taranak’Isiraely rehetra Noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah.
JEREMIA 31 : 35-37

ANDRIAMANITRA HENDRY NY TOMPO

Iray amin’izay hanehoan’ny mpanoratra ny Soratra Masina an’Andriamanitra dia ny fahendreny. Hendry Andriamanitra raha nahary izao tontolo izao. Io fahendren’Andriamanitra io dia hita miharihary eo amin’ny asa fahariany. Tsy tokony hohadinointsika fa anisan’izay teôlôjia matanjaka teo amin’ireo mpaminany, indrindra ireo izay naminany tany am-pahababoana ny teôlôjian’ny fahariana, potika sy ravan’ny fahababoana mantsy ny fiainan’ny Jiosy, koa nampanantenaina izy ireo fa afaka mahary fiainam-baovao ho azy ireo Andriamanitra. Ary izany fiainam-baovao omen’Andriamanitra azy ireo izany dia tena maneho ny fahendren’Andriamanitra. ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra

  1. Mahagaga ny asan’Andriamanitra (and 35)

DIEM « iza no mametraka ny masoandro ho fahazavana amin’ny atoandro ? Iza no mandidy ny volana aman-kintana ho fanazavana amin’ny alina ? iza no manetsika ny ranomasina mba hampisafaoka ny onjany ? Ny Tompon’izao rehetra izao no Anarany »

Izao fehezanteny izao dia maneho amintsika aloha fa nahary ny zavatra rehetra tamin’ny fahendrena Andriamanitra. voakajy sy voarindra avokoa ny nanaovany ny zavatra rehetra. Mipetrapetraka araka ny tokony ho izy avokoa ny zavatra rehetra. Tsy misy zavatra nataon’Andriamanitra ka tsy mipetraka amin’ny toerana sahaza azy. Izao fahariana voakajy sy voarindra izao dia tena maneho ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahaizany. Izao tenin’ny Tompo izao dia milaza mazava amin’ny Jiosy fa tsy misy zavatra tonga tonga ho azy fa tena efa voakajy sy voalamin’Andriamanitra tsara avokoa ny zavatra rehetra. Aseho amin’ny fahendrena sy fahaiza-mandamina ny zavatra rehetra ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao.

  1. Lehibe ny fitiavan’Andriamanitra (and 37)

DIEM « raha misy maharefy ny haavon’ny lanitra hoy Aho, na afaka hahafantatra ny halalin’ny tany, dia hovaliako i Isiraely manontolo noho ny ratsy rehetra nataony »

Izao tenin’ny Tompo izao dia milaza mazava amintsika fa tsy hay hazavaina ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy misy na iza na iza mantsy afaka handrefy ny haavon’ny lanitra, tsy misy afaka hahafantatra ny halalin’ny tany, noho izany tsy misy mahafantatra ihany koa ny haavo sy ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra an’i Isiraely. Tsy ho takatry ny saina amin’ny maha-olombelona ny antony mahatonga an’Andriamanitra mamela heloka sy mamindra fo an’i Isiraely izay malaza ho vahoaka maditra sy mpiodina. Io fitiavan’Andriamanitra tsy hay hazavaina io, io fitiavan’Andriamanitra tsy hay takarina io dia niseho sy tsapa tao amin’i Jesoa Kristy. Jesoa Kristy izay na dia nampahoriana sy nampijaliana aza dia mbola nahavita namela heloka izay nanao ireo rehetra ireo Taminy. Lehibe loatra ny fitiavan’Andriamanitra antsika ka aza manontany izay mety ho antony, ary aza mieritreritra hahafantatra izay halaliny sy haavony. Aoka ho ampy antsika fotsiny ny mahafantatra fa tia antsika Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.