Mofon’aina – Alarobia 22 martsa 2017

8 Farany, miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena,9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’ izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.10 « Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin’ ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka;11 Ary aoka izy hiala amin’ ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.12 Fa ny mason’ ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan’ ny Tompo dia tezitra amin’ ny mpanao ratsy ».13 Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’ izay tsara ianareo?14 Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana hianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro hianareo;15 fa manamasìna an’ i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,16 ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’ i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.17 Fa raha sitrapon’ Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin’ ny fanaovan-tsoa noho ny amin’ ny fanaovan-dratsy.
1 PETERA 3 :8-17

NY KRISTIANA MARINA

1-Mahatoky

Fampaherezana  , fananarana ny kristiana  mba hiaina  amin’ny fiainana kristiana marina no ataon’i Petera  eto .Tokony  ho hita  taratra  eo amin’ny fiainan’ny mpino  ny maha- olona manana  an’i Jesoa Kristy azy . Ny kristiana marina dia mitafy  toetra tsara, toe-panahy miavaka  mba hanakana  ny olana  na ny ady  mety hiseho  eo amin’ny fiainan’ny fiaraha-monin’izao tontolo izao . Noho  ilay fiainana  ao amin’i Jesoa Kristy katsahin’ny mpino  dia manana adidy ny mpino hanao  izay hampirindra  ny fiainan’ny fiaraha-monina. Miaina  amin’ny fiainana tsara  eto an-tany mba hanana ny fiainan-danitra rahatrizay.

2-Manam-paharetana

Sarotra  ny anjara  toerana misy ny kristiana  ao anatin’ny fiaraha-monina . Rehefa  mijoro  ho vavolombelon’i Jesoa Kristy ny mpino  dia hiharan’ny fanenjehana, mety hiharam-pahoriana  ihany koa aza ; Fiainana efa niainan’i Jesoa Kristy izany ka mandalo  izany ny mpanara-dia Azy. Manoloana izany indrindra dia taomina hanana faharetana  ny mpino. Amporisihana hatrany  aza mba hitoetra amin’ny fahamasinana ka haneho eo amin’ny fiainany ny fiainan’i Kristy, haneho fa  ny kristiana  marina  dia afaka misedra ny zavatra rehetra, manam-paharetana satria manantena  ilay tena fiainana nomanin’i Jesoa Kristy ho an’ny olona efa nanolo-tena ho Azy .

Fanontaniana :

Amin’ny maha-kristiana anao, azonao lazaina ve  ny anajra  toerana misy anao ao anatin’ny fiaraha-monina ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !