MOFON’AINA ALAROBIA 23 JONA 2021

26 Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;27 Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;28 Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.29 An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena ?30 An’ izay mikikitra amin’ ny divay, Eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.31 Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;32 Fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.33 Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.34 Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina hianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo.35 Nokapohiny aho, hoy hianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
OHABOLANA 23 : 26 – 35

IZAY ANGATAHAN’ANDRIAMANITRA AMINAO

1- Atolory Azy ny fonao :

Raha mandre izany teny izany isika dia mahatsiaro fa ny Tompo manana fahavononana hanatsarana ny fiainantsika Ilay mitalaho sy mangataka ny fontsika. Ny fangatahana ataony eto dia toa milaza fa raha misy mendrika handray ny fontsika sy hitia antsika dia Izy Andriamanitra irery ihany. Tsy tian’Andriamanitra ho lasan’ilay fahavalo ny fontsika fa tiany ho ao aminy irery ihany. Maro ny fandrika apetrak’ilay ratsy hanimbana ny fontsika. Tian’Andriamanitra ho tokam-po isika. Ny hoe manolotra fo dia manaiky hitia Azy. Izany no nilazan’I Jesoa hoe: « Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa manalavitra Ahy » (Mat 15 :8). Zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fanolorantsika ny fontsika ho Azy, fa mariky ny fanoloran-tena lalina izany. « Ary ny ho tia Azy amin’ny fo rehetra sy saina rehetra sy ny hery rehetra » (Mar.12 :33). I Paoly dia mampianatra manokana ny amin’ny fo sy ny finoana hoe:  « Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena » (Rom.10 :10)

2- Avilio ny masonao :

Aoka ny masonao handinika ny lalàko na ho faly mijery ny lalàko. Tsy maintsy havilintsika hibanjina ny Tompo sy ny lalàny ny masontsika. Fa sao variana amin’ny rehak’izao fiainana izao ka tsy hahita ny làlana marina ho amin’ny fiainana sy ny fiadanana. Fa misy amin’ny masontsika no efa jambena amin’ny filàn’izao fiainana izao. Hoy i Paoly « Izy nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao tontolo izao, dia ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’I Kristy, Izay endrik’Andriamanitra », (2 Kor. 4 :4). Raha mijery ny andininy manaraka isika dia mahita fa misy ireo fahotana maro avelatr’ilay ratsy eo anoloantsika. Koa làlana iray mitondra antsika ho amin’ny fandresena ny fitodihana amin’Andriamanitra. Fisaintsainana ny lalàny sy ny làlana nosoritany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra