Mofon’aina – ALAROBIA 23 MAI 2018

27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin’ ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesoa Izay nohosoranao,28 mba hanao izay notendren’ ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ ny fahasahiana rehetra,30 omban’ ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ ny anaran’ i Jesoa, Mpanomponao Masina.31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahasahiana.
ASAN’NY APOSTOLY 4 :27-31

ENTO  EO  AMIN’NY  TOMPO  NY OLANA  SY NY  MANAHIRANA

1-Lazao  Azy  ny fototra olana 

Vavaka  nataon’i Petera  sy i Jaona  ary  ireo  mpino   namany  izao  Mofonaina izao . Tsy  nihafahafa  izy  ireo  eo  amin’ny and 27 nilaza  ny fototra olana  sy ny sokajn’olona mpanohitra  ny finoana , ka nahatonga  ny olona rehetra  . Isika koa, rehefa tojo  zava-manahirana  dia aza misalasala  milaza amin’ny Tompo  ny fototry ny  olana . Tsy  hoe: manao  tatitra   na mampahafantatra  fa mitaraina. Tsy  ampahafantarinao  ny zava-misy  ny Tompo , satria  efa fantany  izany , fa  natao  hitarainana sy hilazana  ny zava-manjo  mbamin’ny  olana kosa Izy.

2-Angataho  ny  hidirany  an-tsehatra 

« jereo  ny fandrahonany »(and 29). Fangatahana  ny handraisan’ny Tompo  an-tànana  ny toe-draharaha izany, ary  sady fitalahoana Aminy  mba hiditra  an-tsehatra. Tsara  hataontsika  izany  , satria ny Tompo  efa nampanantena  antsika fa ho  fahavalon’ny fahavalontsika ary ho rafin’ny rafintsika (Eks 23 :22), sady  momba  sy hamonjy  (Jer 1 :8 ,19 ,15,20) . Ny fidiran’ Andriamanitra  an-tsehatra  amin’ny trangan-javatra  iray  manjo  antsika  dia tsy  maintsy  mitondra famonjena .

3-Angataho  ny hanomezany  hery

Tsy nangataka  ny hanafoanana  ny olana sy ny fanenjehana ireo  mpino  mivavaka  ireto, fa nangataka  ny hanomezana hery  sy fahasahiana aza. Notanterahin’ny Tompo  ny  fangatahan’izy  ireo , ka  izany    no nanomezany   ny Fanahy Masina (and 31). Tsy  ny hanesorana ny olana matetika no vahaolana, fa  ny hanomezana ny herin’ny Fanahy  hiatrehana ny  zava-misy.

Fanontaniana:

Moa  azo ampitahaina  amin’ny an’i Jesoa  tao Getsemane ve ny hevitra eto? (vakio  hanampy antsika ny Lio 22 :39-46).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !