Mofon’aina – Alarobia 23 novambra 2016

15 Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin’ izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ ny hafaliana;17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’ izay izy.18 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.21 Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan’ ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ ny farafara? Tsy hatao amin’ ny fanaovan-jiro va izy? 22 Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.23 Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
MARKA 4 :15-23

NY MINO ANKASITRAHAN’ ANDRIAMANITRA

1-Mandray ny Tenin’ Andriamanitra

Manao ahoana ny fiainan’ny olona eo am-panendresana ny Tenin’ Andriamanitra ? Miseho eto fa misy fiantraikany eo amin’ny fahainoana sy ny fandraisana ny Tenin’ Andriamanitra ny toejavatra iainan’ny olona tsirairay. Tsy afaka mijoro ho kristiana mahatoky ireo izay tsy mahay mampiorina tsara ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Ao ireo mbola mihaino feo hafa , ny tsy manana faharetana rehefa sendra fitsapana ary ny be fanahiana eo amin’nynfiatrehana ny fiainana .

2-Miaina marina amin’ny Tenin’ Andriamanitra

Rehefa mandray marina ny Tenin’ Andriamanitra ny olona dua miseho eo amin’ny fiainany ny vokatry ny fankatoavany izany. Tsy azo afenina toy ny jiro tsara toerana izany, manazava, manafaka ny aizina amin’ny manodidina azy. Tsarovy fa toy izany tokoa ny vokatry ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny mino. Manome voa tsara, voa mitondra fiainana ho an’ny hafa. Tarihana àry ianao mba handray amin’ny fo mino sy matoky ny Tenin’ Andriamanitra. Ivelomy ny Tenin’ Andriamanitra mba ho fantatra fa olon’ny fanjakan’ Andriamanitra ianao.

Fanontaniana:

Inona no sakana tsy ahafahan’ny olona mandray marina ny Tenin’ Andriamanitra torina aminy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !