MOFON’AINA ALAROBIA 24 FEBROARY 2021

47.Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra; 48. ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany. 49. Dia tahaka izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, 50. dia hatsipiny any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 51. Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny. 52. Dia hoy Izy taminy: Koa amin’izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin’ny fanjakan’ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ny firaketany zava-baovao sy ela.
MATIO 13 :47-52

NY FANJAKAN’NY LANITRA

1-Itaomana ny olona rehetra

« …ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra ». (and.47)

Oharina amin’ny harato tarihina ny fanjakan’ny lanitra eto. Ny harato  tarihina entina ilazana ny filazantsara, ary ireo voavory samy hafa karazana dia ireo nandre ny filazantsara ka milaza ny tenany ho kristiana avokoa na ny mino na ny tsy mino. Mifangaro ao anatin’ny Fiangonana avokoa ny marina sy ny tsy marina, amin’izao andro ankehitriny izao, vokatry ny fitoriana ny filazantsara. Samy miangona avokoa ny handova fiainana mandrakizay sy ny ho any amin’ny fahaverezana. Araka izany, itaomana ny olona rehetra, na ny handova fiainana mandrakizay na tsia ny fanjakan’ny lanitra, dia ny Fiangonana izany.

2-Anavahana ny tsara sy ny ratsy

« …hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina ». (and.49)

Amin’ny fahataperan’izao tontolo izao, dia hisy anjelin’ny lanitra hivoaka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina. Nihevitra mantsy ny Jiosy fa misy anjely ratsy amin’izao  andro ankehitriny izao ary anjely tsara ho avy. Andriamanitra haniraka mpitondra mitafy hery ho avy hametraka ilay anjely tsara amin-kery. Koa rehefa tonga ny fahataperan’izao tontolo izao, dia hisy fanavahana ny ratsy fanahy hiala amin’ny marina, ny ho very ho sarahina amin’ny olona handova ny fiainana mandrakizay. Amin’izay fotoana izay, ny fanjakan’ny laitra dia fanavahana ny tsy marina amin-kery hiala amin’ny ho voavonjy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.