MOFON’AINA ALAROBIA 24 JONA 2020

21 Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: » Aza mamono olona » (Eks.20.13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana. 22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin’ny rahalahiny hoe : Olom-poana ianao, dia mendrika hohelohina amin’ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia mendrika ho ao amin’ny helo mirehitra afo. 23 Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, 24 dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. Mihavàna faingana amin’ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ny mpamatotra, ka hatao ao an-trano-maizina ianao. 26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
MATIO 5 : 21-26

MIHAVANA DIENY MBOLA TSY TARA

Ny Matio 5 – 7 dia fampianarana nataon’i Jesoa teny an-tendrombohitra. Fampianarana izay ambaran’ny mpandinika fa nanomezan’i Jesoa ny lalam-panorenan’ny fanjakan’ny lanitra. Fampianarana izay mampiatra ny didy vaovao nomen’i Jesoa ho an’ireo izay nihaino Azy. Fanalahidy iray ho enti-mamaky ny Matio 5 – 7 ny mahafantatra hoe miverimberina ao ny fehezanteny hoe: « Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe » sy ny hoe « Izaho kosa milaza aminareo hoe » Ilay voalohany dia mampahatsiaro ny didy, ny fampianaran’i Mosesy izay efa hain’ny Jiosy, ny faharoa kosa dia manome ny toromarika vaovao, ny fanavaozana noentin’i Jesoa Kristy. Roa no hafatry ny tenin’Andriamanitra eto

  1. Ny fiainana tsy ilaozan’olana mahatonga ady (and 21, 22)

« Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny… ary na zovy na zovy no hanao amin’ny rahalahiny hoe : Olom-poana hianao… ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy… »

Ambaran’i Jesoa mazava tsara eto amin’izao mofonaina izao fa ny fahatezerana amin’ny rahalahy, ny fanaovana tsinotsina ny namana amin’ny teny atao amin’izy ireo dia mety ho fototry ny ady. Tsy zavatra tonga tonga ho azy akory ny ady sy ny disadisa fa tena vokatry ny tsy fahaiza-mifandray amin’ny namana izany. Mety ho zavatra faran’izay bitika dia mahatonga ady sy disadisa ka mandrava ny fihavanana. Mila mitandrina tsara amin’izany satria mety heverina ho zavatra bitika izany kanefa manimba zavatra be dia be mihitsy.

Mampianatra antsika izao tenin’Andriamanitra izao mba hahaizantsika mitandrina tsara ny fihetsehampontsika, mitandrina tsara ny teny aloaky ny vavantsika, indrindra raha mahakasika ny namantsika, tena mety ho antony mahatonga faharavan’ny fifandraisana sy ny fihavanana amin’izy ireo izany.

  1. Maika ny fihavanana (and 23-26)

DIEM « mihavana faingana amin’izay manana ady aminao dieny samy mbola eny an-dalana ho eny amin’ny fitsarana ianareo »

Atomboky ny Tompo amin’ny fanitsiana ny fomba fanao ivelambelany fanaon’ny Jiosy ny fanavaozana sy fampianarana omen’i Jesoa eto.

Aza maika hanao fanatitra, aza maika hifandray amin’Andriamanitra raha ohatra ka mbola tsy milamina ny fifandraisanao amin’ny namanao. Fa andrao ilay fanatitra ataonao, fa andrao ilay ezaka ataonao mifandray amin’Andriamanitra dia zavatra tsy misy dikany akory. Andriamanitra tsy mankasitraka ny olona manatona Azy, manao fanatitra kanefa tsy tsara fihavanana amin’ny namany. Dieny mbola afaka mihavana dia aoka hanararaotra izany ny mino hoy ny Tompo, izany no hevitry ny hoe « mbola miara-dalana ». Ny hoe miara-dalana koa dia enti-milaza fa tsy efa tapaka tanteraka ny fifandraisana, mbola misy azo atao ihany hanavotana izany fifandraisana sy fihavanana izany. Noho izany dieny mbola azo atao tsara ny mihavana dia aoka hihavana tsara. Maika sy sarobidy arak’izao ny fihavanana satria miantoka ny hahatsara ny fifandraisana amin’Andriamanitra.

Jesoa dia mampianatra antsika ho tsara fihavanana amin’ny namana aloha raha hifandray amin’ny Tompo. Anisan’izay asa laharam-pahamehana takiana amin’ny mino izany. Rehefa tsara mantsy ny fihavanana amin’ny hafa dia tsy endrika ivelany fotsiny ilay fifandraisana amin’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.