Mofon’aina – ALAROBIA 25 APRILY 2018

28 Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.29 Hoy Jesoa: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,30 ka tsy handray zato heny amin’ izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ ny fanenjehana-ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.31 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
MARKA 10 :28-31

NY  TOMBOTSOAN’NY  FANOLORANTENA HO  AN’NY TOMPO  SY NY FILAZANTSARA

1-Tombotsoa amin’izao  andro ankehitriny  izao

Ambaran’ny and 29-30  fa fiombonam-piainana vaovao  ao  anatin’ny  fiainam-piankohonana vaovao , mihoatra  lavitra  (avy zato  heny ) noho ny teo aloha  no  raisin’ny  mpino  izay  mahafoy noho  ny amin’i Kristy  sy ny Filazantsara . Tsy manam-panahiana fa  tsy maintsy  honeran’ Andriamanitra  izay rehetra  nafoy. Manjary  miaina fiainana  tsara lavitra  sy ambony lavitra  mihoatra  ny teo aloha. Ambonin’izany  aza dia ambara  fa mbola hisitraka fanenjehana , izay  mariky  ny fiainan’ny  mpanara-dia an’i Kristy  ny  mpino  .

2-Tombotsoa amin’ny andro ho avy 

Misokatra midanadana ho  an’izay  nampandefitra  ny fanjakana mety lo tety  an-tany , noho ny  amin’ny  Tompo sy  ny  Filazantsara , ny varavaran’ny  fiainana mandrakizay . Fiainana miavaka, tsy azo  ampitahaina amin’ny haren’izao tontolo izao  sy izay rehetra  momba azy  izany. Fiainana tsy  misy nenina , tsy  mahafaty  antoka, fa  tsara  tantana sy  ampy  mizara ho  an’ny  mpino  rehetra , araka  ny  fanoharan’i Jesoa  ao  amin’ny  Matio 19 :30-20 :16 . Kendreo  mba hibanjina ny fiainana mandrakizay  ny fahafoizantena ataontsika.

Fanontaniana:

Iadio hevitra  ny hoe: tombotsoan’ny mpino  ny fanenjehana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !