Mofon’aina – Alarobia 25 janoary 2017

18 Fantatsika fa izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak’ Andriamanitra, dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy.19 Fantatsika fa avy amin’ Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ ilay ratsy avokoa.20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’ Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin’ ilay marina, dia ao amin’ i Jesoa Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.21 Anaka, arovy ny tenanareo amin’ ny sampy.
1 JAONA 5 :18-21

NY ZANAK’ ANDRIAMANITRA

Ny mpino dia olona efa naterak’ Andriamanitra indray tamin’ny alalan’ny Batisa . Noho izany dia efa tonga Zanak’ Andriamanitra. Ny zanak’ Andriamanitra dia:

1- Mankahala fahotana (and 18-19 )

Sady tsy minia manota ny Zanak’ Andriamanitra no miaro ny tenany amin’ny ratsy ihany. Nijoro ho vavolombelona mahatoky tamin’izany i Jesoa fony tonga teto an-tany ka tsy mba nanota Izy na nikambana tamin’ny ratsy. Tsy mankahala ny mpanota i Jesoa fa mankahala ny ota. Ilaina ho toy izany koa isika, amin’ny maha-olona efa naterak’ Andriamanitra tamin’ny Batisa, satria efa tonga zanak’ Andriamanitra isika. Koa ankahalao ny ota, aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa.

2-Miaro tena amin’ny sampy (and 20-21)

« Arovy ny tenanareo amin’ny sampy » (and21). Fehin’ny Epistily voalohany nosoratan’i Jaona izany fiarovan-tena amin’ny sampy izany. Sampy avokoa izay rehetra itokiantsika mihoatra noho Andriamanitra. Ny fiarovan-tena amin’ny sampy dia ny finoana sy fahatokiana ny Tompo. Ny Tenin’ Andriamanitra no mitondra finoana ka mitaona antsika hatoky sy hanantena an’ Andriamanitra. Raha sanatria, foana ny finoana sy ny fanantenana ao amintsika dia hirona ho azy hanompo andriamanin-tsy izy isika. Koa hatanjaho ny finoana , mitodiha amin’ny Soratra masina sy ny Tenin’ Andriamanitra hamantaranao ny sitrapon’ Andriamanitra fa fomba iray iarovanao tena amin’ny sampy izany .

Fanontaniana:

Inona no ataonao raha sendra latsaka ao anatin’ny fahotana ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen