MOFON’AINA ALAROBIA 25 MARTSA 2020

11 Ary hoy Jesoa: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy. 12. Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’izy mirahalahy ny fananany. 13. Ary nony afaka kelikely, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin’ny fiveloman-dratsy tany. 14. Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin’izany tany izany, ka nahantra izy. 15. Dia nandeha izy ka niankina tamin’ny tompon-tany anankiray tamin’izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa. 16. Ary satriny hameno ny kibony tamin’ny voan-kazo fihinan’ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy. 17. Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain’ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! 18. Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko o, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho 19. ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho. 20. Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. 21. Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko o, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony. 22. Fa rainy kosa nanao tamin’ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tanany sy kapa ny tongony; 23. ary ento ny zanak’omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; 24. fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
LIOKA 15 : 11-24

MIVERINA AMIN’NY LAONINY NY FIAINANA REHEFA TAFAVETRINA AO  AMIN’ANDRIAMANITRA ISIKA

Tantaran’ilay zanaka adala tonga hendry ity mofonaina voalahatra androany ity. Misy zava-dehibe telo azo raisina avy amin’izao fanoharana nataon’i Jesoa izao

  1. Miharatsy ny fiainana raha manalavitra an’Andriamanitra ny olona (and 11-16)

Rehefa nangatahany tamin-drainy ny fananany dia ambaran’ny tantara eo amin’ny and 13 fa lasa nankany an-tany lavitra izy. Azo adika hoe nanalavitra an-drainy izy, izay sarin’ny olona manalavitra an’Andriamanitra. Ireto no faharatsian’ny fiainana lavitra an’Andriamanitra

– mirobaroba tsy am-piheverana: asehon’ny tantara fa tsy misy mpifehy intsony ity ranamana ka sady tsy mahafehy tena no mandanilany foana ny fananana. Hita avy amin’izao tantara izao fa tsy nisasarana ny fananana koa dia tsy marary mandanilany azy. Rehefa lavitra an’Andriamanitra ny olona dia sady tsy voafehy no tsy mahafehy tena mihitsy. Aza mba manalavitra an’Andriamanitra fa lasa manome vahana ny filàna izany.

– tsy mahatsinjo ny vodiandro merika: ny mahagaga amin’ity fanoharana ity dia ny fahitana fa tsy tamin’ny fotoana naha-betsaka ny fananana no nisy mosary fa aty amin’ny fotoana maharitra izany. Fampianarana ny tanora izao ny amin’ny fahaizana mitsinjo ny ho avy, fahaizana mandanjalanja ny zavatra atao. Lojika raha tsy hainy ranamana izany satria lavitra an-drainy izy. Be dia be no tsy mahay mandanjalanja satria lavitra an’Andriamanitra.

– nahantra ka nanaotao foana: vokatry ny mosary dia indro nahantra. Ary rehefa nahantra dia mba niezaka nikofoka namaha olana ka indro lasa nanao ny tsy fanao, niandry kisoa sy nihinana ny fihinan-kisoa (fady). Miafara amin’ny zavatra faran’izay ratsy mandrakariva ny fanalavirana an’Andriamanitra.

  1. Nampody ny sainy ny donam-piainana (and 17)

Ilay mosary izay nampahantra azy ka nahatonga azy nanao ny tsy fanao no toy ny donam-piainana namerina ny sainy. Naseho ho toy ny olona tsy nanan-tsaina izy rehefa nanalavitra an’Andriamanitra. Soa fa mbola nisy donam-piainana namerina ny sainy.Be die be tokoa ny tranga manahirana, miendrika donam-piainana ampiasain’Andriamanitra hamerenana ny sain’ny olona lasa lavitra loatra Azy. Mba meteza ho tonga saina raha sendra ireny. Io donam-piainana io no nahatonga azy nanapa-kevitra niverina tamin’ny rainy, ary antony koa tokona hahatonga antsika hanapa-kevitra hiverina amin’Andriamanitra.

  1. Miverina amin’ny laoniny ny fiainana miverina amin’Andriamanitra (and 18-24)

Rehefa nahatsiaro tena ka nanainga nody dia noraisin-drainy tamin’ny fifaliana. Ary rehefa niraisin-drainy dia naverin-drainy tamin’ny maha-zanaka azy. Ireto no porofo maha-zanaka indray

– nomena fitafiana vaovao: ilay fitafiana rotiky ny ditra dia nosoloina vaovao, izay sady madio no tsara. Nesorina taminy izay nanala ny barakany ka nampitafy henatra azy. Toa izany no ataon’Andriamanitra amin’izay manapa-kevitra hiverina rehetra. Tafiany akanjo mendrika ny zanaka malala. Tsy avelany hitafy henatra sy ho afa-baraka

– nasiana peratra sy kapa: ireo dia mariky ny maha-zanaka. Ny mpanompo tsy mba mikapa sy tsy manao peratra. Famerenana amin’ny maha-izy azy azy izao. Averina ny faha-izy-any. Raha naniry ho mpanompo ity ranamana dia noraisina ho zanaka. Tsy arakarak’izay eritreretintsika no handraisan’Andriamanitra antsika rehefa miverina ao Aminy isika. Lehibe lavitra no izay heverintsika izany.

– nanaovana sakafo: ny zanak’omby nafaha teo amin’ny jiosy dia sakafo fandroso amin’ny vahiny tena manan-kaja. Matoa novonoina izany dia satria toy ny olo-manan-kaja no nandraisan-drainy azy fa tsy ilay nihinana ny fihinan-kisoa. Toa izany koa no handraisan’Andriamanitra antsika rehefa miverina ao Aminy isika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.