MOFON’AINA ALAROBIA 25 MAY 2022

16Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. 17Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. 18Fa raha tarihin’ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna. 19Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, 21fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. 22Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, 23fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. 24Fa izay an’Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany tamin’ny hazo fijaliana. 25Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. 26Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.GALATIANA 5:16-26

NY OLONA MANDEHA ARAKA NY FANAHY MASINA

Ambaran’i Paoly Apostoly eto ny fahasamihafana eo amin’ny olona manana ny Fanahy Masina sy ny tsy manana izany Fanahy Masina izany. Mitaona sy mamporisika ny mpino noho izany izy mba handeha araka ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainana manontolo.

1- Miaina amin’ny fahafahana.

Miaina amin’ny fahalovana ny olona tsy mandeha araka ny fitarihin’ny Fanahy Masina: mamatotra ny asan’ny nofo, ny maha- olombelona nofo aman-drà ka izany no mibaiko sy mitondra ny atao rehetra, fiainam-paharatsiana, fahapotehana, faharavana. Rehefa nandray ny Fanahy Masina anefa ny olona, manome toerana ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany manontolo dia ho resy tosika ny asan’ny nofo rehetra. Mandeha amin’ny toe-panahy feno fahamasinana sy fahamarinana. fiainam-pahafahana.

2- Miaina amin’ny fiainan’ny olom-boavonjy

Mandova ny fanjakan’ Andriamanitra ny olona mandeha araka ny Fanahy Masina, miaina amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Izany finoana ny maha-olom-boavonjy izany dia mahatonga ny olona hanaiky hotarihin’ny Fanahy Masina ka hiaina amin’ny fiainana miavaka. fiainana feno fahatsarana amin’ny fifandraisana amin’ny hafa (and 22). Tsarovy fa miova tanteraka ny fiainanao rehefa manana ny Fanahy Masina sy maniky hotarihiny ianao. Tonga olom-baovao miaina ny fiainan’ny olom-boavonjy, mahay mihevitra ny hafa.

Ho an’Andriamanitra ireery ihany ny voninahitra.