Mofon’aina – ALAROBIA 25 OKTOBRA 2017

20 Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ ny fakany ilay aviavy.21 Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.22 Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an’ Andriamanitra.23 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin’ ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.24 Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany.
MARKA 11 :20-24

NY VAVAKA  MAHAFINDRA TENDROMBOHITRA

1-Vavaka amin’ny  finoana

Tsy  ny fahamainan’ilay  aviavy  no zava-dehibe  amin’i Jesoa  fa ny anjara   toeran’ny  finoana  ao  amin’ny  vavaka  . Asehon’i Jesoa  ihany  koa  ny fahefana  ananan’ny  mino  ka hanesorana  izay sakatsakana  sy ny tsy fahombiazana. Manàna finoana an’ Andriamanitra, hoy i Jesoa  Kristy  (and 22). Esorina  ny fisalasalana  mba ho  tanteraka  izay  zavatra  lazaina  sy angatahina  amin’ny  Tompo  (and 23). Manambara  izany  fa ny  finoana no mampanan-kery  ny vavaka. Ny  finoana no hanatonana  an’i  Jesoa  ao amin’ny vavaka, satria « raha tsy amin’ny finoana  dia tsy misy  azo atao  hahazoana sitraka  aminy » (Heb 11 :6).

2-Vavaka mamaha olana 

Mampaka sy  mampamaha ny zana-boriky  i Jesoa (and 2) ary  niditra  tao Jerosalema  amin’ny maha- Mesia Azy (and 8) ka nodioviny ny tempoly. Amin’ny fisehon’i Jesoa amin’ny maha- Mesia  Mpanjaka  sy Mpamonjy Azy dia miharihary  ny  heriny  sy ny fahefany. Ravan’i Jesoa izay sakana  rehetra  tsy hahatanteraka  ny famonjena. Tahaka ity aviavy  nozoniny fa tsy  nahitana  voany. Manome izany fahefana izany  ho  an’ny mpianany  sy ny  mpino  Azy  i Jesoa  Kristy. Manan-kery  avy  amin’ny Tompo  ny mpino  hanala  izay sakana  tsy hahatanteraka   ny  famonjena izao  tontolo  izao. Amin’ny alalan’ny vavaka  no hahafahantsika  manala  ny tendrombohitra  misakana ny famonjena.

Fanontaniana:

Inona avy  ireo  lazain’ny Tompo  fa tendrombohitra  tokony hafindra eo  amin’ny fiainantsika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !