Mofon’aina – ALAROBIA 26 APRILY 2017

21 Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo.22 Fa raha mampahory azy na amin’ inona na amin’ inona ianao, ka mitaraina Amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,23 ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin’ ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.24 Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao.25 Raha maka ny lamban’ ny namanao ho tsatòka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.26 Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin’ ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina Amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.
EKSODOSY 22 :21-26

MIANTRA NY MALAHELO ANDRIAMANITRA

1-Miantra ny mpitondrantena  sy ny kamboty ny Tompo

Ny didin’ Andriamanitra dia miaro  ny mahantra sy ny sahirana. Mampatezitra an’ Andriamanitra ny fampahoriana azy ireny. Mihaino  ny fitarainany Andriamanitra ka mamaly  ny mpampahory  azy amin’ny sabatra amin’ny fahatezerany (and 24). Ny fikasan’ Andrimanitra dia ny hahasambatra ny vahoakany. Manome ny lalàna iray mba  hiainan’ny vahoaka iray amin’Israely Andriamanitra mba  hifampitsinjo. Tsy tian’ Andriamanitra hiverina amin’ny fanandevozana tany Egypta ny olony. Tsy  hifanandevo  ihany koa ny samy vahoakan’ Andriamanitra, dia ny Israely izany. Tonga  mahantra i Jesoa mba hiaina  ny fiainan’ny mahantra sy hanambara  fa Izy  dia tonga hamonjy  ny mahantra.

2-Manarina ny mahantra Andriamanitra  

Endrika vitsivitsy  no hanehoan’ny Soratra masina ny fahantrana : fisamborambola , findramana ka misy antoka na tsatoka (and 25). Omena teny izay  mampisambotra tsy haka zanabola amin’ny malahelo  misambotra (and 24), tsy handray tatoka na antoka ihany koa. Manana andraikitra  izay  manana mba hitsinjo  ny mahantra sy ny mpitondrantena. Lalàna mandrindra sy mandamina ny fiaraha-monina ny didin’ Andriamanitra, mba tsy hisy malahelo  eo  amin’ny tanin’ Israely. Izany  dia tena fivavahana ankasitrahan’ny Tompo (Jak 1.27). Mihaino  ny fitarainan’ny mahantra mitaraina aminy  tokoa ny Tompo ka mamindra fo aminy (and26)

Fanontaniana:

Inona  no atao  mba handresena  ny fahantran’ny mpino?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !