MOFON’AINA ALAROBIA 26 FEBROARY 2020

1 Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. 3 Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. 4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. 5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty: fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. 6 Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. 7 Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. 8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
APOKALYPSY 21 : 1-8

ANDRIAMANITRA MANAVAO NY ZAVATRA REHETRA

Anisan’ny fehezateny malaza ato amin’ny Baibolin’ny kristianina ny tenin’i Jesoa eo amin’ny and 5 manao hoe: « Indro havaoziko ny zavatra rehetra ». Potika sy ravan’ny fahotana mantsy ny zava-boahary noharian’Andriamanitra, ka indro Jesoa manavao izany indray. Fa inona tokoa moa no tian’i Jesoa ambara raha niteny izany fehezanteny izany Izy?

  1. Andriamanitra mpahary Izy

Ny filazan’i Jesoa eto hoe hanavao ny zavatra rehetra dia tena filazana tsotra izao hoe mahary zava-baovao Izy. Asehon’i Jesoa amin’i Jaona fa manana ny hery sy ny fahefana mahary zava-baovao Izy. Ny hoe mahary zava-baovao mantsy dia famerenana amin’ny laoniny ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra. Averina ho toy ny tamin’ny voalohany naharian’Andriamanitra azy. Ny bokin’ny Apokalypsy dia tsy tokony hohadinoina fa filazana an’i Jesoa izay Mpanjaka be voninahitra, koa ny fanjakan’i Jesoa dia ambara fa fanjakana ahitana fahariana vaovao; « Jerosalema vaovao ». Ny hoe Jerosalema mantsy dia tsy inona akory fa tanànan’ny fiadanana, koa noho io fahariana vaovao ataon’i Jesoa io dia hisy fiadanana toy ny tao Edena fahizay.

  1. Ny zavatra rehetra no havaoziny

Raha ny marina dia tena mahery ny herin’ny fahotana. Rehefa tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny fahotana dia potiny sy ravany avokoa ny zavatra rehetra. Nisy akony teo amin’ny zavatra rehetra ny fahotana, akony ratsy. Arak’izany raha manavao Jesoa dia tsy ampahany amin’ny zava-boahary ihany akory no havaoziny fa izy rehetra mihitsy. Izany hoe tena averina amin’ny laoniny avokoa ny zavatra rehetra ka tsy hisy herin’ny fahotana hanimba na hamotika izany intsony.

Ao amin’ny fanjakan’i Jesoa arak’izao dia tsy hisy na inona na inona ka tsy nohavaozina. Tsy manana toerana ao amin’ny fanjakan’i Jesoa ny zavatra tsy nohavaozina. Raha misy tokoa olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy, olona nohavaozina izy, nohavaozin’i Kristy ho mendrika ny fanjakany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.