MOFON’AINA ALAROBIA 26 SEPTAMBRA 2018

3 Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan’ iray livatra, dia nanosotra ny tongotr’ i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin’ ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.4 Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin’ ny mpianany, ilay efa hamadika Azy:5 Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?6 Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.7 Dia hoy Jesoa: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin’ ny andro hanamboarany Ahy halevina io.8 Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva.
JAONA 12 : 3- 8

IREO SOKAJIN’OLONA MPANARA-DIA AN’I JESOA

1- Ireo olona manetry tena ka mahafoy zava-tsoa ho Azy

I Maria moa dia voalaza fa nahafoy zava-tsarobidy mba entina hanomezam-boninahitra an’i Jesoa. Tsy vitan’izany fa nanao tsinontsinona ny tenany izy tamin’ny namaohany ny tongotr’i Jesoa tamin’ny volon-dohany. Tena toe-javatra miavaka indrindra izany eo amin’ny fifandraisana tamin’i Jesoa Kristy, satria vehivavy izy no mety hahavita izany? Nasolon’i Maria lamba famaohana ny volon-dohany mba ho entiny hanehoana ny fitiavany ny Tompo sy ny fanetre-tenany tanteraka. Tsy dia ny hanao tahaka izany loatra no ilaina amin’ny kristiana fa ny haneho fìtiavana ny Tompo sy ahafoy zava-tsarobidy ho Azy satria izany no ao ambadiky ny fihetsik’ i Maria.

2- Ireo olona mody manaraka azy nefa mihevi-dratsy

Tsy dia mahagaga raha i Jodasy no niteny an’i Maria tamin’ny fihetsika nataony satria olona hanao ratsy Azy io, tsy mihevitra ny ahafoy zava-tsoa ho Azy velively ity Jodasy ity. Raha jerena dia toa mihevitra ny hafa izy nefa tena fitiavan-tena mihitsy ny azy satria tsy misy fiheverana ny mahantra izany ao aminy fa ny fiheveran-tena aza no tena masaka indrindra. Naseho eto ity tranga ity mba ho heverin’ny olona ny zavatra ataony ny Tompo, samy manao izay heveriny fa endrika hisehoan’ny fanompoany mantsy. Taomina anefa ny mpanara-dia ny Tompo mba ho tia Azy sy hahafoy zava-tsoa ho Azy ary tsy atao amin’ny fihatsaram-belatsihy izany fa amin’ny fo tokoa (jereo Heb 6 : 10)

Fanontaniana:
Inona ny zava-tsoa tokony hatolotra ny Tompo ary iza no tokony hanao izany?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.