MOFON’AINA ALAROBIA 27 APRILY 2022

26Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. 27Ary hoy Izy tamin’i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan’tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin’ny lanivoako; ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa. 28Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! 29Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. 30Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’i Jesosy teo imason’ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ity boky ity; 31fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo.JAONA 20:26-31

ILAY NANDRESY NY FAHAFATESANA

1 – Tsy voasakan’ny varavarana voarindrina

« Dia tonga Jesoa rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany » (and. 26). Rehefa avy nandresy ny fahafatesana ny Tompo dia tafiditra tao amin’ny trano mihidy indray. Miala any amin’ny fonenan’ny maty Izy ary miditra eo anivon’ny mpianatra. Tsy voafetran’ny toerana ny Tompo fa manana fahefana hiantrano amin’izay tiany hiantranoana. Andrandrao ny fanatrehany.

2- Tompo sy Andriamanitra

Rehefa nanehoan’ny Tompo porofo hita maso sy azo tsapain-tànana teo amin’ny tànany dia nanambara fanekem-pinoana miavaka i Tomasy ho : « Tompoko sy Andriamanitro » (and. 28). Jesoa Kristy tokoa no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay (1 Jao. 5 : 20) … Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita (Kol. 1 : 15a) … Izaho sy ny Ray dia iray ihany » (Jao. 10 : 30) hoy ny Tompo. Sahia mijoro manambara ny fanekem-pinoana.

3- Manome fiainana

« Hanananareo fiainana amin’ny anarany raha mino ianareo » (Jao. 20 : 31). Hafa mihitsy ny fiainana miaraka amin’ny Tompo. Fiainana eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, fiainana araka ny fahamasinana sy ny fahamarinana. Fiainana manome voninahitra an’Andriamanitra amin’izay atao rehetra. Fiainana feno fisaorana ary tsy mitarain-tana-miepaka satria miara-miasa hahasoa ny zavatra rehetra. Fiainana manao laharam-pahamehana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany ka mandova fianana mandrakizay.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.