Mofon’aina – ALAROBIA 27 JIONA 2018

9 Koa amin’ izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.12 Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.13 Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ ny ratsy.14 Fa raha mamela ny fahadisoan’ ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
MATIO 6 :9-15

Tokony  ho efa  ao  ambavan’ny  maro  ny lehibe sy ny  kely  , ny  vavaka  nampianarin’ny Tompo . Mety  mandeha amim-pahazarana fotsiny anefa  rehefa manonona  izany, na dia ho an’ny mpandray  ny Fanasan’ny Tompo aza izay efa nampianarina manokana izany .Noho izany  dia tokony  ho ao an-tsaina ireto.

1-Ny ho an’Andriamanitra sy  ho an’ny  olona 

Misy fanehoana mpisolo tena « nao sy « nay » eto ka ny « nao  » dia maneho indrindra izay zavatra  rehetra  atolotry ny olona an’ Andriamanitra (ny fanjakanao, ny anaranao, ny sitraponao) ary ny « –nay » kosa  dia maneho  izay tadiavin’ny  olona amin’ Andriamanitra : hanina sahaza ho anay, mamelà ny helokay tahaka ny amelanay , manafaha anay. Misy zavatra ifanolorana izany eto fa tsy mahazo mianina  fotsiny amin’ny hoe:Andriamanitra dia mpanome sy mpanao zavatra ho an’ny olona hatrany, tsy maintsy misy fandraisan’ny olona anjara. Miomàna ianao manatanteraka izany.

2-Zava-dehibe ny fifamelana

Ambaran’ny fampianaran’i Jesoa  Kristy eto fa izay mamela heloka no avelan’ Andriamanitra  heloka ary izay tsy vonon-kamela heloka dia tsy  misitraka  izany. Tokony ho ao an-tsain’ny olona hatrany àry fa mpanota ny olona rehetra  (jereo Sal 14.3 ; Rom3.10). Koa  aza manantena ny havelan’ Andriamanitra  heloka fotsiny fa atombohy  amin’ny  olona samy olona izany .

Fanontaniana:

Misy  ve olona tsy  mba diso  mihitsy  ka tsy mila izany  famelan-keloka izany akory?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !