MOFON’AINA ALAROBIA 27 MAY 2020

22 Dia nentina tany amin’i Jesoa ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana. 23 Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak’i Davida? 24 Fa nony ren’ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan’Ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ny demonia. 25 Ary Jesoa nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. 26 Ary raha Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany? 27 Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan’ny zanakareo azy? Ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo. 28 Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’Andriamanitra. 29 Fa hataon’ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? Dia vao handroba ny ao an-tranony izy. 30 Izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
MATIO 12 : 22-30

JESOA KRISTY MANDRESY NY DEMONIA AMIN’NY HERIN’NY FANAHY MASINA

Tantarain’i Matio eto amin’izao mofonaina izao ny fomba nanasitranan’ ny lehilahy iray izay noentina teo Aminy. Nampametra-panontaniana ny vahoaka ity asa nataon’i Jesoa ity satria tsapan’ny vahoaka nahita ilay asa fanasitranana tao amin’i Jesoa ny maha-Mesia, Mpamonjy izao tontolo izao azy. Teo anatrehan’izany anefa dia nolazain’ny Fariseo fa Belzeboba no namoahan’i Jesoa ny demonia. Nanitsy izany fiheveran-diso vokatry ny fialonana izany Jesoa ka nilaza mazava fa herin’ny Fanahy Masina no namoahany ny demonia.

  1. Izay rehetra tonga eo amin’ny Jesoa dia sitraniny (and 22)

« Dia nentina tany amin’i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana »

Ilay hoe nentina teo amin’i Jesoa dia azo azavaina ihany koa hoe nampanatonina an’i Jesoa, nampanakaikezina an’i Jesoa. Ny hoe akaiky an’i Jesoa dia ho enti-milaza akaikin’Andriamanitra. Tamin’ny mbola lavitra an’i Jesoa ity lehilahy ity dia nanjakan’ny demonia ka izay no anton’ilay nahajamba sy nahamoana azy. Fa rehefa tongan’ny olona teo amin’i Jesoa kosa dia noresen’i Jesoa, navoakan’i Jesoa ny herin’ny demonia tao aminy. Hitantsika ihany koa fa ambaran’ny Matio eto fa nentina teo amin’i Jesoa ity lehilahy ity. Roa no hevitr’izany rehefa tena dinihina tsara. Tsy mahatondra tena teo amin’i Jesoa ity lehilahy ity noho ny asan-demonia. Ny finiavan’ny hafa, ny finoan’ny hafa no nitondrana azy teo amin’i Jesoa. Ny zava-dehibe fotsiny, na finiavana avy amin’ilay marary, na finiavana avy amin’ny hafa, rehefa tonga eo amin’i Jesoa ny olona fatoran’ny demonia dia mahay manafaka azy Jesoa.

Na iza na iza manana demonia satria lavitra an’i Jesoa, lavitra an’Andriamanitra dia fantatsika izao fa rehefa tarihina hanatona an’i Jesoa dia ho afaka amin’izay hamatoran’ny demonia azy izy. Mety misy karazan’olona tsy mahatondra tena ho eo amin’i Jesoa, dia anjaran’izay afaka manao izany no mitondra azy hanatona an’i Jesoa. Misy fotoana mitaky finiavana avy amin’ny hafa, mitaky ny finoan’ny hafa ny fomba ho enti-mamonjy izay fatoran’ny demonia. Koa samia ary manao izay anjara tandrify ny tsirairay ho enti-mamonjy sy manafaka izay mbola fatoran’ny demonia.

  1. Jesoa dia manasitrana noho ny herin’ny Fanahy Masina (and 28)

« Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’Andriamanitra »

Ity asa notanterahin’i Jesoa ity dia nampametra-panontaniana tao amin’i vahoaka nahita azy raha Jesoa no Mesia na tsia. Rehefa henon’ny Fariseo izany fanontaniana izany dia nolazainy fa herin’i belzeboba no namoahan’i Jesoa izany. Izany tenin’ny Fariseo izany moa dia vokatry ny fialonana fotsiny sao lasa hanaiky an’i Jesoa ho Mesia ireto vahoaka ireto. Teo anatrehan’izany dia tsy maintsy niverina nampianatra Jesoa ka nilaza mazava tsara fa herin’ny Fanahy Masina no nanaovany izany asa izany. Ny Fanahy Masina tao Aminy no nanome hery Azy ka nahefany ity asa fandroahana ny demonia ity.

Asehon’ny tantara amintsika fa izay manana ny Fanahy Masina dia manana ny herin’Andriamanitra ka afaka mandresy ny demonia sy ny asany. Nomen’Andriamanitra antsika, napetrak’Andriamanitra ato amintsika ny Fanahy Masina ho enti-mandresy sy mandroaka ny demonia. Andriamanitra afaka mandresy tsara ny demonia ny Fanahy Masina. Handeha arak’izany hiara-miasa tsara Aminy dia tsy hisy demonia na iza na iza handresy antsika, handeha hiara-miasa tsara amin’ny Fanahy Masina dia ho mora ny manafaka ny hafa amin’ny fatoran-demonia.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.