MOFON’AINA ALAROBIA 27 NOVAMBRA 2019

24. Dia hoy Jesoa tamin’ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. 25. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko, dia hahazo izany. 26. Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy? 27. Fa ho avy ny Zanak’olona amin’ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony. 28. Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’olona avy amin’ny fanjakany.
MATIO 16 : 24-28

KRISTIANINA MANARAKA AN’I JESOA, MITONDRA HAZO FIJALIANA

Fepetra iray amin’ny fanarahana an’i Jesoa ny fitondrana hazo fijaliana. Miatomboka amin’ny teny hoe raha mantsy ny fehezantenin’i Jesoa eto. Io teny io dia teny mampiditra fepetra harahina mandrakariva.

Fa inona tokoa moa no hevitry ny hazo fijaliana?

  1. Fitondrana fahoriana

Ny lalan’ny hazo fijaliana dia lalan’ny fahoriana izay tsy maintsy niaretan’i Kristy. Koa na iza na iza manaraka an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy manaraka Azy amin’io lalana io. Io no anisan’ny lala-tokana hiarahana amin’i Kristy. Tsy misy na iza na iza hanaraka an’i Kristy ka mieritreritra handeha lalana hafa. Perikopa tamin’ny alahady izy ity, nifamatotra tamin’ny ilay voasoratra ao amin’ny Apokalypsy manao hoe: »Izaho Jesoa naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an’ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak’i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro » Apo 22. 16. Ny filazan’i Jesoa ny tenany ho Kintana mamirapiratra dia tsotra filazany ny tenany ho Andriamanitra Mpamonjy amin’ny fahoriana mahazo. Ny kintana dia tokony hotsaroana fa tsy hita ho mamirapiratra raha tsy amin’ny alina. Ny alina dia ho enti-milaza fahoriana mahazo ny mino, arak’izany tsy hahita an’i Jesoa ho kintana mamirapiratra ny mino raha tsy ao anaty alina, ao anaty fahoriana, izany hoe raha tsy mitondra hazo fijaliana. Samia mitondra ny hazo fijaliany arak’izao ka manaraha an’i Jesoa.

  1. Fitondrana famonjena

Fototra iray ambaran’ny Soratra Masina, fampianaram-pinoana lehibe indrindra momba ny hazo fijaliana ny famonjena. Teo no namonjen’Andriamanitra izao tontolo izao tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Mariky ny famonjena ny hazo fijaliana. Izany no mahatonga antsika kristianina mametraka ny hazo fijaliana ao amin’ny fiangonana ho zavatra talaky maso, ary ho zavatra tena anisan’ny lehibe ao amin’ny fiangonana. Io hazo fijaliana io no mampahatsiaro ny famonjena vitan’i Jesoa ka misitraka izany ny mino. Fepetra hanarahana an’i Jesoa arak’izao ny fitondrana hazo fijaliana, fitondrana famonjena. Miorina amin’i Jesoa nijaly, maty ka nalevina, nitsangana tamin’ny maty rahateo ny fitoriana ny filazantsara tanterahintsika. Samia mitondra ny hazo fijaliany arak’izao, samia mitondra famonjena ho an’ny olona rehetra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.