Mofon’aina – ALAROBIA 28 MARTSA 2018

12 Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?13 Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.14 Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.15 Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.16 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.17 Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.18 Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Izay homana ny mofoko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy.19 Hatramin’ izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy.20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
JAONA 13 :12-20

I JESOA TOMPO  SY MPAMPIANATRA

1-Manompo  ny  mpianany i Jesoa 

Fanompoan’ny  mpandray vahiny  no nataon’i Jesoa  amin’ny fanasana  ny  tongotry ny mpianany, araka  ny  fomba Jiosy  (and 12). Mpampianatra  tonga ohatra  i Jesoa  ary  lehibe  tonga mpanompo. Miondrika  i Jesoa  manasa  ny tongotry  ny  mpianatra, hiditra  ao amin’ ny fanjakany. Nanaiky  ho  tonga  olona Andriamanitra  mba handraisany  ny mpanota  sy hamonjeny azy.

2-Mampianatra  ny  mpianany i Jesoa 

Mampianatra ny fifanompoana, fifankatiavana i Jesoa. Ampidirina  ao amin’ny sekolin’ny  fanompoana  sy ny fanetrentena  ary ny fitiava-namana sy ny fahavalo  ny  mpianatra. Adino   matetika  ity fifanompoan’ny kristiana ity « hifanasa tongotra » (and 15). Ampianarin’ny Tompo  hifanampy, hifamela heloka sy  hifampitondra izay  mavesatra  ny mpino   (Gal 6 :2).

3-Manome fahasambarana i Jesoa  

Ao  amin’ny fampiharana ny tenin’i Jesoa  no itoeran’ny fahasambarana (and 17). Tsy ampy  ny mahalala an’i Jesoa  ho mpampianatra , mpamonjy  … Fivelomana amin’ny Tenin’ny Tompo  no fahasambarana ,  « sambatra  ianareo  raha  manao  izany   »  . Misy   mahalala  an’i Jesoa  sy  miara-misakafo ary  manatsoboka  ny  mofony  ao  amin’ny lovian’i Jesoa Kristy fa mamadika Azy. Sambatra  izay mandray  an’i Jesoa  ho Tompo  sy  mandray ny teniny.

Fanontaniana:

Ahoana no hanehoana ny fifanompoana kristiana eo  amin’ny fiangonana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !