MOFON’AINA ALAROBIA 28 NOVAMBRA 2018

7 Ary amin’ izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin’ ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ ny tany ka maharitra amin’ izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.8 Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ ny Tompo.9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina hianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan’ ny varavarana.10 Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ ny anaran’ ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’ i Joba ary efa hitanareo ny faran’ ny nataon’ ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.
JAKOBA 5 : 7-11

EO AM-PIANDRASANA NY FIHAVIAN’NY TOMPO.

Betsaka ny olona no tsy maharitra rehefa asaina miandry, indrindra moa fa raha tsaroana ho ela ny fotoana niandrasana. Efa nambara tamintsika fa ho tampoka ny fihavian’ny Tompo. Eo am-piandrasana izany isika izao. Ny tokony hatao àry dia:

1- Miasa 

Ny mpiasa tany no ohatra tsotra omen’ny Apostoly antsika: asainy aloha ny tany, ary tsy hoe eo no ho eo ny vokatra fa tsy maintsy miandry fotoana. Mino izy fa ho avy ny orana amin’ny fotoany, inoany toy izany koa fa ho avy ny fotoana hijinjana ny vokatra. Efa hitany sary an- tsaina sahady izany rehetra izany ka tsy manana fanahiana akory izy, eny fa na dia mbola vao miasa tany aza. Ny mpino dia hazoto miasa tokoa raha miorina tsara ny finoany sy ny fanantenany ny fiavian’ny Tompo. Ny finoana ananantsika dia tokony hanetsika antsika hiasa bebe kokoa ho Azy.

2- Maharitra 

Tsy amin’ny ora sy fotoana ihany no ilàna faharetana, fa indrindra indrindra koa amin’ny fahoriana sy ny fanenjehana. Ny olona manana faharetana dia tsy mifampimonomonona. Manome fianarana ho antsika ny Soratra Masina, ny amin’ny fiainan’ireo mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo (and. 10). Matetika no naharitra nandefitra sy niaritra fahoriana izy ireny. Ny tantaran’i Joba koa dia mampiseho amintsika fa mety iharitra fahoriana mafy isika eo am-piandrasana ny fiavian’ny Tompo. Rehefa naharitra izy dia namindra fo sy niantra azy ny Tompo.

Fanontaniana:
Inona izao no iharetanao amin’ny fijoroanao ho vavolombelona?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !