MOFON’AINA ALAROBIA 29 AOGOSITRA 2018

21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra.22 Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay?23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.24 Koa amin’ izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ ny vatolampy.25 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin’ ny vatolampy.26 Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ ny fasika.27 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.
MATIO. 7:21-29

NY MPINO MANOHITRA NY HERISETRA

Andeha horaisina ho toromarika omen’ny Tompo antsika mba tsy ho tafalatsaka amin’ny fanaovana herisetra isika ka :

1- Manaova ny sitrapon’ny Ray (and. 21‑23)

I Jesoa no tena mahalala ny sitrapon’ny Ray ka nampita izany tamin’ny alalan’ny fampianarana sy ny toriteny rehetra nataony. Isan’izany ny tsy tokony hamaliana herisetra ny herisetra (Mat. 5:38‑41). Tsy mety ny manao Tompoko, Tompoko an’i Jesoa sy ny fanaovana asa maro amin’ny anarany kanefa any ambadika isika manao herisetra amin’ny tenantsika na amin’ny hafa. Fandavana antsika tsy hiditra ny fanjakan’Andriamanitra no setrin’izany eto.

2- Mankatoava ny Tenin’ny Tompo (and. 24‑27).

Fanoharana no entin’i Jesoa maneho ny elanelana misy eo amin’ny olona mankato ny teniny sy ny tsy mankato. Fahafahana manohitra ny sarotra rehetra ho an’ny mpankatoa ny teny. Faharavana kosa ho an’izay tsy mankatoa. Mahatohitra ny fanaovana herisetra izany izay mankato ny Tenin’ny Tompo. Mora latsaka ao anatin’ny fanaovana herisetra kosa izay tsy mankato ny Teniny ka faharavam-piainana no iafaran’izany. Toy ny riaka be sy rivotra mifofofofo mila handrava ny trano mantsy ny herisetra ka raha ratsy fotolra ny trano dia ho rava.

Fanontaniana :

Inona no sakana tsy ahafahana mankatoa ny tenin’ny Tompo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !