MOFON’AINA ALAROBIA 29 APRILY 2020

Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin’ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby; 32 ary ny mponina rehetra ety an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin’ireo maro be any an-danitra sy amin’ny mponina ety an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao? 33 Tamin’izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan’ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin’ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza. 34 Koa amin’izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan’ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin’ny fiavonavonana dia hainy aetry.
DANIELA 4 : 31-34

NEBOKADNEZARA (ANTIKIOSY IV EPIFANA) MPANJAKA JENTILISA NIJORO VAVOLOMBELON’NY FAHALEBIAZAN’ANDRIAMANITRA

Ny Bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Testamenta Vaovao dia boky nosoratana ho fampaherezana ireo kristianina niharan’ny fampahoriana sy ny fanenjehana noho ny finoany an’i Jesoa Kristy. Ny bokin’i Daniela koa dia toa izany ihany, nosoratana ho fampaherezana ireo Jiosy izay niharan’ny fanenjehana sy ny fahoriana noho ny fijoroany ho vavolombelon’ny finoana an’Andriamanitra. Karazan-dahatsoratra Apokalyptika rahateo ny bokin’i Daniela.

Fampaherezana ireo Jiosy nijoro tamin’ny finoana tamin’ny vanimpotoana antenantenany (vanimpotoana teo anelanelan’ny Testamenta Taloha sy Vaovao) ny bokin’i Daniela. Tamin’ny taona 300 – 100 taloha Jesoa tany ho any mantsy dia ny Ampira Grika no nifehy izao tontolo izao. Antikiosy IV Epifana dia anisan’ireo mpanjaka loza an-tany ka nampahory ireo Jiosy tsy nety nanaraka ny fomba Grika tamin’ny fotoana nanjakany (175 – 164 tal JK). Amin’ny maha-asa soratra Apokalyptika ny bokin’i Daniela dia tsy nanondro olona manokana izy rehefa manoratra fa nampiasa anarana hafa ka Nebokadnezara dia anarana niantsoany an’i Antikiosy IV Epifana. Mpanjaka niavonavona izy ity, ary tena nihevi-tena ho zavatra ka rehefa nanofy dia nasehon’Andriamanitra taminy ny fetran’ny fahefany. Eo amin’ny and 7-9 no manambara ny fiheveran-tenany ho lehibe satria teo ambany fahefany avokoa izao tontolo izao, ary nihevi-tena ho ambony noho Andriamanitra mihitsy aza izy. Izay no dikan’ilay hazo teo afovoan’ny tany izay fatratra ny hahavony ka nahatratra ny tany rehetra. Fa teo anatrehan’izany havonavony izany no nataon’Andriamanitra lasa adala izy ka rehefa nanaiky ny maha-ambony lavitra an’Andriamanitra vao nampodian’Andriamanitra ny sainy. Tonga vavolombelona izy rehefa

  1. Nampodian’Andriamanitra ny sainy (and 31)

« Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin’ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko »

Rehefa tonga tamin’ny fanetre-tena, nanaiky ny fahalebiazan’Andriamanitra, niala tamin’ny fiavonavonany, izay no dikan’ny fiandrandrana ny lanitra izy dia nampodian’Andriamanitra ny sainy. Ilay miandrandra ny lanitra dia maneho aloha fa any ambony Andriamanitra, mbola be fahefana lavitra noho izy. Raha tsy nanao izany ity mpanjaka eto ity dia navelan’Andriamanitra ho toy ny biby. Asehon’ny tantara fa na dia misy aza ireo mihevi-tena ho zavatra, mieritreritra manana ny fahefana rehetra, mahatratra izao tontolo izao ny fahefany. Mbola misy Andriamanitra lehibe lavitra noho izy ireo. Raha tsy manaiky ny fahefan’Andriamanitra izy ireo dia ho avy ny fotoana hiasan’Andriamanitra ka hanala ao amin’izy ireo ny fahefana rehetra nomeny azy.

Mahereza ry kristianina malala, toa tonga resabe ankehitriny ny fiheveran’ny olona fa manana fahefana amin’ny fiangonana ny olon’izao tontolo izao. Mihevitra izy ireo fa rehefa tiany sokafana ny fiangonana vao misokatra, ary rehefa tiany hakatona dia mikatona. Andriamanitra dia mbola lehibe lavitra noho izy ireo. Mila matoky izany ny fiangonana Kristianina. Tokony hatsiaro isika fa Jesoa efa niteny fa efa nomena Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Tsy misy na iza na iza eto amin’izao tontolo izao manana fahefana ambony lavitra noho ny an’i Jesoa. Koa mahereza !

  1. Nidera sy nanome voninahitra an’Andriamanitra (and 31)

« izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin’ny lanitra… ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay »

Ilay fahatongavan-tsaina tao amin’ny mpanjaka dia niteraka fiderana an’Andriamanitra avy hatrany. Tonga fantany, tonga hainy fa VELONA Andriamanitra. Mahery noho izy rahateo ny Tompo ka noderainy sy nankalazainy. Rehefa asehon’Andriamanitra ny fahalebiazany dia tonga amin’ny fiderana Azy na dia ny Jentilisa aza. Tonga mankalaza Azy na dia ireo izay mpampahory ny mpanompon’Andriamanitra aza. Ary tsy vitan’ny hoe mankalaza an’Andriamanitra fotsiny ity mpanjaka eto fa tena mijoro ho vavolombelon’ny fahefan’Andriamanitra mihitsy (and 34)

Fampaherezana lehibe ho an’ireo Jiosy nijoro tamin’ny finoana izany. Ary tena mbola fampaherezana antsika kristianina ankehitriny ihany koa. Rehefa tena asehon’Andriamanitra ny fahalebiazany dia tonga manaiky Azy sy ny fahefany izao rehetra izao. Jesoa rehefa teo amin’ny hazo fijaliana ka niseho ny maha-Izy azy Azy dia tonga tamin’ny fanekena ny maha-zanak’Adriamanitra Azy ilay miaramila Romanina anisan’izay nanombo Azy.

Mila mivavaka mangataka amin’Andriamanitra isika mba haneho ny fahamboniany sy ny fahalebiazany Izy ka hahatonga ireo olona eto amin’izao tontolo izao ireto, izay mihevi-tena ho mpifehy izao tontolo izao hanaiky ny maha-Andriamanitra VELONA Azy, ka hidera sy hanaiky ny fahefany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.