Mofon’aina – ALAROBIA 30 AOGOSITRA 2017

7 Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an’ i Jeremia tao amin’ ny lavaka (nipetraka teo amin’ ny vavahadin’ ny Benjamina ny mpanjaka androtr’ iny),8 dia nivoaka avy tao an-tranon’ ny mpanjaka izy ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe:9 Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon’ ity firenena ity tamin’ i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin’ izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.10 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an’ i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.11 Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka eo ambanin’ ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin’ ny mahazaka ho ao amin’ ny lavaka izany ho ao amin’ i Jeremia.12 Dia hoy Ebeda-meleka Etiopiana tamin’ i Jeremia: Ataovy eo ambanin’ ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon’ i Jeremia izany;13 ka dia nosintoniny tamin’ ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka, ary dia nitoetra teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana izy.14 Ary Zedekia mpanjaka naniraka naka an’ i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin’ ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon’ i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.15 Ary hoy Jeremia tamin’ i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia omeko saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.16 Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin’ i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan’ ireto olona mitady ny ainao ireto.
JEREMIA 38 :7-16

NY  FANDRESENA OMEN’NY  TOMPO

Efa  nampiomana  an’i Jeremia ny  Tompo  fa maro  ireo  fijaliana tsy maintsy atrehany  , nefa hoy Izy hoe : « momba  anao Aho , hamonjy  anao Aho »( Jer 1 :8). Ny  fanafahana sy fiarovana  no nasehon’ny Tompo an’i Jeremia.

1-Fanafahana

Teo  anatrehan’ny fanenjehana, fanagadrana, fandatsahana an-davaka dia naneho  ny fahalehibiazany ny Tompo. Na dia eo  aza ny fijaliana  tsy  maintsy  atrehan’ny mpanara-dia  ny Tompo  dia tsy mitazam-potsiny   Izy, fa manafaka  amin’ny loza. Ebeda-meleka eto no fitaovana  nentiny  nanafahana  an’i Jeremia. Andriamanitra dia tsy mitsahatra mikaroka  ny fomba rehetra  hanafahana antsika. Ny  zanany  lahitokana  no  antoka  tsara indrindra amin’izany.

2-Fiarovana

Nanome  toky i Zedekia mpanjaka ary nianiana  fa tsy  hanome  na hanolotra  an’i Jeremia  eo an-tànan’ireo  olona mitady ny ainy ireo. Sady manafaka ao anaty lavaka  ny  Tompo no miaro  ny ain’ny mpanompony. Toky ho antsika  izany fa misy  olona  efa  omanin’ny Tompo izay hitondra vahaolana  azo antoka  ho antsika. Porofon’ ny  teniny izany  manao hoe : « hamonjy  anao Aho »

Fanontaniana :

Tsaronao ve inona avy  ireo  toe-javatra efa niainanao  nanehoan’ny Tompo ny fiarovana  sy ny fanafahany anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !