Mofon’aina – Alarobia 30 novambra 2016

10 Mivoaha, mivoaha amin’ ny vavahady, amboary ny lalana halehan’ ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan’ ny firenena.11 Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin’ ny faran’ izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin’ i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.12 Ary Ireny hotononina hoe Firenena masina, dia olona navotan’ i Jehovah; ary hianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
ISAIA 62 :10-12

ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Teny fampanantenana milaza famonjena ho an’ny mponin’i Jerosalema ity teny novakintsika ity , dia teny manambara :

1-Fiantsoana fanafahana

Antso ho an’ireo vahoaka voasesitany ka lasa babo tany Babylona izany : antso mitory fanafahana ho azy ireo , mitaona azy mba hivoaka ny tanàna , hanokatra ny làlana mody , hanamboatra làlana mody, hanamboatra làlana mitovy tantana ka esorina avokoa izay rehetra mbola misakatsakana tsy hahatanteraka ny fahafahana . Ny tanjona dia ny hahatonga azy ireo hitoetra amin’ny fiadanana sy fifaliana , satria tsy foin’ Andriamanitra ny olony . Na dia mandalo fahoriana aza dia tsy maintsy hovonjeny sy hafahany izy. Miantso antsika mba handray ny fiainam-panafahana ny Tompo.

2-Fiantsoana ho amin’ny famonjena

Andriamanitra mihitsy no manome baiko milaza fa ho avy ny faminjena ny Zanak’ Israely .Hanorina fianam-piadanana sy fandriampahalemana ao Jerosalema Izy . Andriamanitra, ilay mamaly ny olona araka ny asany, ka hanome valisoa ho azy ireo no milaza ka tsy maintsy tanteraka izany. Andriamanitra dia mitondra ny olona ho amin’ny famonjena mandrakizay ka mamerina indray ny fiantsoana azy ireo ho vahoaka masina , ilay tiany sady tsy foiny . Tsarovy fa fiainam- pamonjena no sitrak’ Andriamanitra ho anao.

Fanontaniana:

Iza no heverinao fa afaka mitondra fanafahana anao amin’ny fiainana ankehitriny ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !