Mofon’aina – ALAROBIA 31 MAY 2017

19 Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, ary ampizory amin’ ny lalana ny fonao.20 Aza misakaiza amin’ izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena;21 Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.22 Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.23 Vidio ny marina, ka aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.24 Hifaly dia hifaly ny rain’ ny marina, ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.25 Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
OHABOLANA 23 :19-25

Sekolin’ny fahendrena  misokatra  ho an’ny  zanaka   rehetra   ny bokin’ny Ohabolana . Manao  antso    mandrakariva  izy  mba handrosoantsika  hihaino   sy hianatra  ny fahendrena.

1- Manàna fahendrena ho enti-miaina 

Manome  torohevitra  amin’ny toetra tokony hananana ny Teny  eto  raha hoy izy :  «  hendre , ary ampizory  amin’ny làlana  ny fonao » (and 19) . Jesoa Kristy  no làlana  sy mpitari-dàlana antsika  amin’ny tsara rehetra. Izy koa no hery  sy fahendren’ Andriamanitra  ka raha  mandray Azy isika  dia hanan-kery handavana ny ratsy rehetra. Teny fahendrena  no hanome  fiainana  sy fiadanana ho antsika . Koa mazotoa mandray ny teny fananaran’ny Tompontsika.

2-Tehirizo ny fitondrantena mendrika

Mikolokolo  ny zanany  hanana fitondrantena  mendrika  ny raiamandreny rehetra  , saingy   rehefa  mitombo   fahalalana izy  ireny   indraindray  dia manary  ny anatra  nomena . Rehefa  lafo  vidy  tamin’ny zanaka  ny fahendrena  nampianarina  azy dia tsy  hadinony  mihitsy  izany . Manam-pifaliana  ny raiamandreny manana zanaka hendry : manaja, manoa, mora toroana, manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo  sy Mpamonjy azy ary tia mivavaka. Isika raiamandreny, aoka hanatanteraka  ny fanekena  teo amin’ny Batisa raha  te- hanana zanaka hendry.

Fanontaniana:

Tanisao ireo torohevitra nomen’ny bokin’ny Ohabolana anao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !