MOFON’AINA ALAROBIA 5 OKTOBRA 2022

5 Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy: 6 Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin’ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa, 7 Hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin’ny maizina hiala ao an-trano famatorana. 8 Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra. 9 Ny amin’ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.ISAIA 42:5-9

ANDRIAMANITRA MPAHARY

1-Mampanantena fanafahana (and 7)

Babo tany Babylona ny vahoaka Jiosy .Nalahelo sy kivy ary very fanantenana satria rava ny tanàna tany Jerosalema sy manda eo ambany fahefan’ny Jentilisa izy ireo izay toa milaza fa mahery ny andriamanitry ny Babyloniana. Manoloana izany , tsy nangina Andriamanitra ka nampahatsiahy fa managaka amin’ny olana sy ny karazana olana samihafa Izy . Mitondra famonjena ho an’ny olona izay ao anatin’ny alahelo Andriamanitra, indrindra ny olom-boafidiny. Manoloana ny olana sy fahasahiranana ary ny ady atrehanao dia tsarovy fa mitondra fanafahana sy famonjena amin’ireny Andriamanitra .Aza kivy, aza ketraka fa mampanantena fanafahana ho anao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Andriamanitra.

2-Manambara ny tenany (and 8)

Manoloana ny danahian’ny vahoaka ny herin’Andriamanitra dia nampahafantatra ny anarany tamin’ny Jiosy izay any am-pahababoana indray Izy. Jehovah no Anarany .Anarana izaymanambara ny fahefana sy ny maha mandrakizay Azy izany .Ny fanononany izany anarany izany no antoka omeny amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenana nataony .Manoloana izany , tsy maintsy tanteraka ny teny rehetra nampanantenain’Andriamanitra , satria Azy ny fahefana rehetra , ary efa nambaran’i Jesoa Kristy ihany koa izany mba hahatonga ny mpino hanana toky fa tsy maintsy tanteraka ny teny nambarany . Koa ny tanjon’Andriamanitra amin’ny fanambaran-tena ataony dia mba hahatonga ny vahoaka voafidiny hatoky Azy .Koa matokia Azy fa hanavao ny fiainanao Izy .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.