MOFON’AINA ALATSINAINY 01 JOLAY 2019

Jehovah ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. 2 Ianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. 3 Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. 4 Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô. 5 Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Ianao, Ary apetrakao amiko ny tananao. 6 Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro. 7 Aiza no hialako amin’ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? 8 Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita* ho fandriako aza aho, indro, any Ianao.[Heb. Sheola] 9 Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran’ny ranomasina, 10 Dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin’ny tananao ankavanana. 11 Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, 12 Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina Aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina
SALAMO 139 : 1-12

ANDRIAMANITRA TSITOHA

Andriamanitra manana ny hery sy ny fahefana rehetra, Andriamanitra Tsitoha no ambaran’ny Mpanao Salamo eto amin’izao mofonaina izao. Zavatra roa no entin’ny Mpanao Salamo manambara izany maha-tsitoha an’Andriamanitra izany araka ireto manaraka ireto.

  1. Mahalala ny zavatra rehetra Izy (and 1-6)

« Jehovah ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy »

Milaza ny Mpanao Salamo fa fantatry ny Tompo tsara Izy, fantatry ny Tompo tsara ny momba Azy. Ary tsy misy miafina amin’ny Tompo izany na dia kely aza. Zavatra roa no tena fantatry ny Tompo momba ny Mpanao Salamo :

– mahalala ny maha-izy azy ny Mpanao alamon y Tompo : fipetraka – fitsangana – hevitra – toetra araka ny and 2,3. Tsy misy miafina amin’ny Tompo, tsy misy azo afenina ny Tompo ny momba azy rehetra. Andriamanitra mahalala ny maha-izy azy ny olombelona tsirairay avy ny Tompo, tsy misy miafina Aminy izany na dia izay farany bitika indrindra aza.

– mahalala ny alehan’ny mpanao Salamo : ny hoe mahalala izay haleha dia ho enti-milaza ihany koa mahalala ny fikasana, ny programa samihafa, ny fikasana, ny asa sns… tsy misy miafina amin’ny Tompo koa araka izany ny fikasana sy izay rehetra ataon’ny olona tsirairay avy. Miharihary eo anatrehan’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra atao na ezahina afenina aza izany.

Rehefa teto amin’izao tontolo izao Jesoa dia tao Aminy koa ity maha-izy Azy an’Andriamanitra ity, satria fantatr’i Jesoa avokoa ny fikasan’ny olona, fantany ny zavatra nataony, fantany ny toetra sy ny mombamomba ny olona rehetra.

  1. Eo amin’ny toerana rehetra Izy (and 7-12)

« Aiza no hialako amin’ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? »

Ireo fanontaniana roa ireo dia maneho indrindra fa tsy misy toerana azo ialana amin’ny Tompo. Ny and manaraka aza moa dia mitantara amintsika ireo toerana rehetra misy ny Tompo: any an-danitra – any amin’ny fiainan-tsy hita – any amin’ny faran’ny ranomasina – mahita amin’ny toerana rehetra. Izao no manamafy amintsika fa amin’ny mpanao Salamo dia amin’ny toerana rehetra sy amin’ny fotoana rehetra tokoa ny Tompo. Izy Andriamanitra irery ihany no manana ity fahiziana amin’ny toerana rehetra sy amin’ny fotoana rehetra ity. Izany indrindra no mahatonga an’Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra satria amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra Izy.

Jesoa rehefa teto amin’izao tontolo izao, indrindra rehefa nitsangana tamin’ny maty dia hita teo Aminy ity maha-izy azy an’Andriamanitra ity, izany moa dia ho entin’ny Filazantsara milaza ny maha-Andriamanitra TSITOHA Azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.