MOFON’AINA ALATSINAINY 01 OKTOBRA 2018

139 Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.140 Voazaha toetra tamin’ ny memy ny teninao, Ka dia tian’ ny mpanomponao.141 Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.142 Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.143 Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.144 Ny fahamarinan’ ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
SALAMO 119 : 139-144

NY TOKONY HO FIAINAN’NY MPINO

Salamo 119 dia maneho ny anjara toeran’ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fìainan’ny mpino.

1- Manambara ny fahamarinan’Andriamanitra

Tsapan’ny mpanao Salamo fa miavaka ny Tenin’ Andriamanitra : « voadidinao amin’ny fahamarinana sy fahatokiana indrindra ny teny vavolombelonao ». Izany toetran’ny Tenin’Andriamanitra izany no mahatonga ity mpanao Salamo ity hanambara na haneho ny finoana fa « marina lanao. Jehovah ». Rariny sy hitsiny tokoa eo amin’nv fiainan’ny mpino rehefa mahatsapa ny fahatanterahan’ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainana ny maneho ny finoany.

2- Mivelona amin’nv Tenin’Andriamanitra

Manatanteraka araka izay voalazany ao amin’ny Teniny Andriamanitra. Manoloana izany dia manome toky fa tsy hiala amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra izy. Na dia misy aza ireo sokajin’olona manao tsinontsinona ny Tenin Andriamanitra. Mazava ny lalana hizoran’ny olon’Andriamanitra. Tenin’Andriamanitra no fanilo manazava ny fiainany. Na toa inona na toa inona toe-javatra atrehiny eo amin’ny fiainana dia mitondra fiainana. fifaliana ho azy mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra.

Fanontaniana :

Niasa teo amin’ny fiainanao tamin’ny fanatanterahana ny Teny nambarany ny Tompo. Inona no nasetrinao izany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !